Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Maro dia maro ny resaka manodidina ny zavatra notenenin’ny Sénateur Lylison, mikasika iny efa lasa voarakitry ny tantara hoe : « raharaha Jeneraly Florens, taminy 29 Marsa 2016 » iny. Ny soratra moa mitoetra ka nataoko adidy ny mandika an-tsoratra ireo voalazan’ny Sénateur Lylison tao aminy téléviziona Viva ny alin’io 29 Marsa 2016 io. Ka ireo no ho tadidin’ny Tantara sy hitsara izay ho tsaraina any aoriana any. Ny sisa resaben’ny tsy manan-katao fotsiny ihany, ny faly miraviravy tanàna tsy mba mahay mandray andraikitra sy fa mahay mampiady olona, fa tsy mahay miady hevitra. Ao ihany koa ireo sahy hilaza fa nisy nanarama aho. Tsotra ny valiny : ataovy ny loham-bolanareo izay tsy afaka manao n’inona n’inona fa nozaran’ity fitondrana ity sandaina vola daholo, eny na miaramila handraoka fako aza. Ny ahy haren-tsaina ho an’ny taranaka Malagasy tsy an-kanavala no atolotro maimaim-poana. Ireo dia tsy ho voavidy vola na zato mialara tapitrisa dôlara aza. Olomp-pirenena Malagasy aho aloha vao mpanao gazety mpanao ny Tantaran’i Madagasikara. Ny an’ny Hvm sendra mandalo ihany no misy paosy ny lambamena.

Jeannot Ramambazafy – 31 Marsa 2015

Ny zavatra nisy aloha, 29 Marsa androany : fahatsiarovana ireo mahery fon’ny Firenena na ny maty no ny fitiavan-tanindrazana na ireo fanomezam-boninahitra ireo mbola velona, ary nanatanteraka izany adidy masina amin’ny tanindrazana izany. Adidin’ny Malagasy tsirairay, na olon-tsotra izy na manam-pahefana izy, ny manome voninahitra an’izany daty izany.

Ny noraisiko adidy, amina maha Sénateur ny tenako, ny mba hamoha indray ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy satria izay ny zavatra hita fa tsy ampy amin’izao fotoana izao. Na dia tsy tokony angatahina autorisation ny fametrahana fehezam-boninkazo ho an’ny mahery fo izany, mba ialàna amin’ny sotasota atao amin’izao fotoana izao, dia nametraka fangatahina ny tenako tany amin’ny préfecture de police. Nahazo fahazoan-dalàna ara-dalàna. Toerana roa no nangatahiko : eny Ambohijatovo sy eny amin’ny fasan’ny mahery fo eny amin’ny Mausolée.

Rehefa tonga teny Ambohijatovo ny tenanay sy ireo olona izay mba nantsoiko hiaraka anotrona am-pilaminana hametraka izany fehezam-boninkazo izany, dia nilaza ireo mpiasa eny amin’ny Primature fa hametraka voninkazo eny aloha ny mpitondra fanjakana tarihin’ny Premier ministre. Aminy maha mpanara-dalàna ny tenako, na samy tamin’ny 10 heures ny fotoana azonay mirahalahy, dia najaiko izy aminy maha Premier ministre ary teny Ambohijatovo tsy nisy olona niorakoraka ny Premier ministre. Najain’ny olona tanteraka ny Premier ministre.

Raha vao vita ny an’ny Premier ministre dia nametraka ny tenanay niaraka tamin’ireo vahoaka izay efa niangaviana mba hisolo-tena azy ireo anotron anay. Vita io, andeha hanatanteraka ny fahazoan-dalàna faharoa, dia any amin’ny fasan’ny mahery fo na Mausolée. Ny fandehanana any amin’ny Mausolée, Tompoko, dia izay manana fiara mandeha fiara, izay tsy manana fiara dia mandeha an-tongotra. Matoa aho nangataka alàlana, nametraka taratasy mba ilazako fa raha misy mihoam-pefy dia izaho ny responsable. Ary efa napetrako tsara tamin’ny Général Florens rehefa nisakatsakana anay teo Ambohijatovo fa izaho ny responsable raha misy mihoam-pefy.

Amin’ny resaka circulation routière, raha ny fifamezivezana an-tanàn-dehibe, ny fanelingelenana ny fifamoivoizana na ny barrage atao amin’ny fifamoivoizana, izay ihany no infractionna heloka mamoa-fady amin’ny resaka circulation. Fa n y resaka mandeha am-pilaminana, tsy mi-gêner circulation, tsy misakana ny fifamoivoizana, tsy mampiasa eriseretra, dia tsy heloka izay. Nandeha am-pilaminana ireo vahoaka avy eo Ambohijatovo hiazo ny Mausolée.

Nosakanana aloha vao niala teo Ambohijatovo, dia niteny aho hoe : ara-dalàna izao fandehananai izao ka avelao andeha. Teny an-dalàna teny, nandalo ny Premier ministre ho an’ny amin’ny Mausolée, nomen’ny vahoaka làlana izy, tsy nisy nisakan-tsakana, tsy nisy nihorakoraka, tsy nisy nitora-bato fa nanàja ny mpandeha tongotra ny Premier ministre, najain’ny vahoaka koa ny Premier ministre tsy nisy nanelingelina azy.

Fa poa toa izay, tandrifin’ny FIP (Forces d’intervention de la police) teny Antanimora, ny Général Florens mihitsy ny nanome baiko hoe : apoaho amin’zay. Izaho, en tant que Sénateur, Deuxième institution, handeha hametraka voninkazo, vahoaka malagasy izay mba te-hanome voninahitra ny olombeny tany aloha tany no tifirina lacrymogènes, tifirina grenades assourdissantes, ataoko fa tsy mety izany, mon Général. Ary indrindra indrindra, ny fiarako izay nitari-dàlana –izaho moa nandeha an-tongotra, dia notifirina à bout portant tamina grenade assourdissante ary potika ny pare-brise.

Izany hoe : nanàja lalàna izahay, nandeha an-tongotra am-pilaminana, tsy nisy tora-bato nalefa teny amin’ny mpitandro filaminana teny am-pandehanana, tsy ni-gêner circulation, hiakatra ho eny aminy Mausolée no notifirin’ny Général Florens grenades lacrymogènes sy grenades assourdissantes. Teneniko eto ny responsabilité-n’ny Géneral Florens. Marina fa aminy miaramila l’ordre doit être exécuté sans hésitations ni murmures fa l’autorité qui donne l’ordre en est responsable. Ianao, mon Général no responsable. Nandeha am-pilaminana aho, deuxième institution, nanaovanao fihetsika sahala amin’ireny.

Sahala amina tany tsy misy fanjakana, loi de la jungle, loi du plus fort, am-pelatanànao ny fahefana, ireny ny fihetsika nanaovanao vahoaka. Eto aho miteny : diso tanteraka, mon Général, ny fihetsika nataonao androany satria officier supérieur de la gendarmerie ny tenako mahafantatra izany maintien de l’ordre izany. Ny maintien de l’ordre izany, rehefa misy ny tsy manàja ny ordre public, izay no andraisana mesures. Fa ny androany, olona manàja ny ordre public no nanapoahanao grenades. Maninona moa no tsy notenenina hoe : mbola hametraka voninkazo ny prezidan’ny repoblika eny aminy Mausolée ka mijanona kely ianareo, sahala amin’ny nataonay teny Ambohijatovo, tsy maintsy nijanona izahay raha noteneninareo satria izahay manàja.

Fa naparitakao ny vahoaka. En possession de force androany ianao mon Général, mampiasa erisetra. Raha zavatra tsy tianao atao aminao, aza atao amin’olona. Rahampitso ianao tsy en possession de force, fa izaho en possession de force ? Haveriko aminao ny raha nataonao iny. Ho tianao ve, mon Général, sa tsy ho tianao ? Ary izaho, mon Général mety hahalefitra fa izaho tsy hanadino.

Mipetraka amin’ny Tantara iny ary ny fitondrana manao ny mety tsy tokony atahotra vahoaka. Maninona ny Premier ministre teny Ambohijatovo tsy natahotra vahoaka ? Maninona ny Premier ministre niakatra teny aminy Mausolée, nandalo teo afovoan’ny vahoaka tsy natahotra ? Maninona ny Président de la république no matahotra ? Mety izy, angamba, mon Général, no nanome baiko hoe : poteho ny taomobilin’ny Colonel Lylison, poteho ny vahoaka miaraka amin’ny Colonel Lylison.

Izay ny zavatra nisy ka zavatra tantara iny, ary tantara tsy ho azo kosehina. N’inona n’inona ny fanazavanao, mon Général. Officier général ianao, manana ny promotion-nao, izaho koa manana ny promotion-ko. En possession de force ianao androany ? Ataovy izay ataonao, ataovy ny tsindry hazo lena ataonao fa rahampitso ianao tsy en possession de force, hampahatsiahiviko anao ny zavatra nataonao fa eto isika tsy ho aiza fa hifantahita eto.

Fanontaniana napetrak’i Nate: Inona ny andraisanareo ireny fihetsika ireny ? Fanapoahana grenades lacrymogènes sy ny sisa ?

Tafiditra amin’izany ny tsy fanajàna ny zon’olombelona satria zon’ny tsirairay ny manatanteraka ny adidiny. Adidiny dia ny mametraka voninkazo eny amin’ny fasan’ny mahery fo. Adidy ny maneho hevitra ary fanehoan-kevitra am-pilaminana nazahoana autorisation légale. Fa manana force izany ny Général Florens dia manao ireny. Ka ny anampiako izay raha resaka force izay ; en civil aho, tsy mitarika miaramila fa mitarika civils, aza izaho manao izany no ampiarina force, mon Général. Fa raha combat izany tsy ampianarianao ahy. Ary izaho koa eto miteny fa ataovy mitovy ny éléments entina fa izaho tsy matahotra izany. Raha combat izany, aiko loatra izany. Fa tsy izaho manantanteraka ny adidiko en civil, en tant que sénateur no atao zavatra sahala amin’izay, efa tafahoatra loatra ny etraketraky ny Général Florens ka eto isika mahita azy.

Fanontaniana : Inona ny mety ho tohiny ?

Ny zavatra ho tohiny dia tsotra : amina tany tan-dalàna, aoka samy hanara-dalàna fa ianao nametrahana fahefana, mon Général, tsy anara-dalàna voalohany, raha tsy hisy hanara-dalàna isika eto, tany tsy tan-dalàna izany. Ho potika ity Madagasikara ity. Ka ataovy aminao tompo-pahefana aloha ny fanarahana lalàna voalohany. Fa ianao, mon Général, tsy manara-dalàna. Tsy mahagaga anie raha nanome baiko namely an’i Jean-Pierre iny ny Général Florens e ! Général Florens ny responsable namely an’i Jean-Pierre fa tsy ireo bandy kely (Tff : zandary namono an’i Jean-Pierre). Ireo bandy kely ireo aza gadraina fa l’autorité qui donne l’ordre est responsable. Aza miala andraikitra raha lehilahy ! Izay aloha. Milaza mahery ianao satria manana force, nefa misy zavatra ailikao any amin’ny bandy kely. Aza miala andraikitra. Izaho, hoy aho, mety hahalefitra fa tsy adinoko, mon Général, ny etraketraka natao tamiko ireny. Hamaly ianao sa tsy hamaly ? Rahampitso isika hahita azy fa tsy ho adinoko ireny, tadidio izay teniko androany izay.

Ny Prezidan’ny repoblika tonga teny aminy Mausolée tsy nisy olona na iray aza nitehaka, tsisy fa niakatra ny tenanay nahazo tehaka. Izay sy izay ny hafatra apetrako fa mihevera isika vahoaka fa tena am-pelatànana mpitondra mitady hanao dictature. Fahatsiarovana ny tolona ny natao androany, tsy vita izany ny tolona satria fanjanahantany amin’ny endriny vaovao indray no misy amin’izao. Miantomboka androany izany, andraisan-tsika tanora ny afom-pitiavan-tanindrazana dia hiady isika eo anatrehin’ny famarotana ny tanindrazana ; hiady isika ho an’ny tsy faneken-tsika ny fandrobana ny harem-pirenen-tsika tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny firenen-tsika ; hiady isika eo anatrehin’ny didy jadona ataon’ny mpitondra.

Ny vahoaka sy adala. Ny vahoaka anie no nametraka ny Prezidà Hery teo vao lany izy e ! Fa amin’izao fotoana izao, sahiko ny miteny –manaova fitsapahan-kevim-bahoaka, zara raha mahazo 5% io Prezida io. Manaova fitsapahan-kevim-bahoaka hoe ; andao samy anandrana mitarika olona contre Président Hery sy mitarika olona pour Président Hery. Aoka tsy hisy hataotra an’izay. Fa ny filoha amin’izao fotoana izay efa tsy mahazo crédit eo anatrehin’ny vahoaka. Izay ny zavatra misy.

Raha manao zavatra mety ny mpitondra, tsy hisy olona hanohitra fitondrana izany. Fa tsy izay tianao atao no atao fa ny zavatra nataon’ny Général Florens androany anieizay tiany atao izany nataony satria eo am-pelatànany ny force, eo am-pelatànana ny fahefana izay tiany atao ataon’ny Général Florens, na manara-dalàna aza ianareo sakanako. Tsy toe-tsain’ny gendarmerie izany. Tanindrazana sy Lalàna no devise (Tff : teny filamatra) –ny gendarmerie. Fa ny manamboninahitra tsy manaraka lalàna izany tsy mendrika ho manana manamboninahitra Général de gendarmerie. Izany ny teniko.

Satria izaho sarotiny amin’io corps anankiray io, amin’io gendarmerie io. Ka izay manimba… efa nanao heloka bevava anie izy tamin’iny raharaha Jean-Pierre iny e. Mbola mipetraka eo. Izao indray nanao heloka bevava, mpipetraka eo. Mipetraha eo foana fa ho hitanareo foana ny bavures hataon’io Général io fa izay ihany no anahirana anareo.

Misaotra, Tompoko

Nandray an-tsoratra ho an’ny Tantaran’i Madagasikara : Jeannot Ramambazafy

Articles récents

Hébergé par Overblog