Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

FORMAT PDF ETO

Tsy nieranà akory ny andro nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty (Paska) dia nitohy indray ny praograma fandemena ataon’ilay filoha milaza fa matahotra an’Andriamanitra sy hanaja ny lalampanorenana, ka dia nampitanjahany indray koa ireo solontena sy solovavan’ny vahoaka (depiote) voafidy ara-dalàna, ka ho lasa olo-tsotra toa ianao mpamaky hajaina io. Ny fiantombohan’ny tantara ratsin’ingahy Hery Rajaonarimampianina dia hitanao ATO. Fa ity ny tohiny, telo volana katroka taorian’ny nanaovany ilay fianianana feno lainga sy fitaka.

"JE suis le président élu du peuple malgache"

"JE suis le président élu du peuple malgache"

Efa tsy ampy azy intsony ny fahefany maha filoha voafidim-bahoaka azy, ary tsy mahatoky an’iza n’iza izy satria ny mpandainga sy mpamitaka dia kanosa eny foana ka na dia efa fanta-poko, fantam-pirenena fa fitondrana mizara (“régime semi-parlementaire”) ny repoblika faha-efatr’i Madagasikaraka, dia tiany ho azy samy irery ary hivangongo eo am-pelatanany ny fahefana rehetra ("pouvoir absolu"). Asa ataony inona marina, fa ireo ihany no hanototra azy amin’ilay ora tsy hampoiziny.

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Mety hilaza izy sy ny manompony fa repoblika laïka i Madagasikara. Eny, tompoko. Fa ny vahoaka Malagasy dia vahoakan’Andriamanitra ary ilay filoha be fitaka (be fika, hoy ireo tanora) dia nianiana teo anatrehan’Andriamanitra alohan’ny rehetra. Ny fomba fitantànana no tsy hidiran’ny finoana fa ny tsirairay -amin'ny mponina maro an'isa eto amin'ny Nosy- dia mino sy mivavaka daholo. Sa ho foanana koa, atsy ho atsy, ireo fiangonana maro be misy eto amin’ny firenena ? Efa nisy izany ka tsy tokony atao mahagaga.

Jean Eric Rakotoarisoa, mpikambana "vaovao" sy itokisany ao amin'ilay HCC mahataka-danitra, arahabain'ilay filoha mikotrika ny ho mpanjaka. Ovao amin'ny anarany daholo rangahy ny Lalampanorenana manontolo a !

Jean Eric Rakotoarisoa, mpikambana "vaovao" sy itokisany ao amin'ilay HCC mahataka-danitra, arahabain'ilay filoha mikotrika ny ho mpanjaka. Ovao amin'ny anarany daholo rangahy ny Lalampanorenana manontolo a !

Ny fitaka farany nataon’ilay filoha manana anarana lava be indrindra eran-tany dia ity: ny 18 aprily 2014 dia nandefa taratasy tany amin’ilay HCC malalany ilay filoha Hery Martial. HCC izay nanamasina nikipy maso ilay “ordonnance” avy any amin’io filoha io, izay lasa lalàna velona mikasika ireo fitsipika mifehy ny Antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza. Ka dia veloma hatreo ry fisaraham-pahefana (“séparation des pouvoirs”) fa lasa fahefam-panjaka (“monarchie”) tanteraka ny eto Madagasikara.

Ramatoa Christine Razanamahasoa, Filoha vehivavy voalohany voafidy ho Filohan'ny Antenimieram-pirenena malagasy. Tsy raharahiny izany ary tsy asiany hasiny intsony izany hoe OLOM-BOAFIDY izany. Ny vahoaka amin'izany efa "sujets communs des mortels" daholo izany, satria izy ireo no te-hifidy azy kou !

Ramatoa Christine Razanamahasoa, Filoha vehivavy voalohany voafidy ho Filohan'ny Antenimieram-pirenena malagasy. Tsy raharahiny izany ary tsy asiany hasiny intsony izany hoe OLOM-BOAFIDY izany. Ny vahoaka amin'izany efa "sujets communs des mortels" daholo izany, satria izy ireo no te-hifidy azy kou !

Tsy hisy adihevitra sy mpanohitra intsony izany ato fa hanangana tanàna fotsiny ihany an-katoa ny praograma izay handalo eto.

Tsy hisy adihevitra sy mpanohitra intsony izany ato fa hanangana tanàna fotsiny ihany an-katoa ny praograma izay handalo eto.

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

"Aza kitikitiana na ovana ny Lalampanorenana na fehezan-teny iray monja aza. Io no antoky ny fahafahan-tsika", hoy ny Filoha amerikana Abraham Lincoln. Ny eto Madagasiraka indray dia : kitihiko amin'izay hitiavako azy io satria izaho voafidin'ny vahoaka. Izay nanao izany anefa dia nazeran'ny vahoaka daholo (Tsiranana, Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana). Tena mahatalanjona tokoa izany tsy mba maka lesona amin'ny Tantara e !

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Raha tsorina dia azo henjehina tsy misy fepetra ireo depioten-tsika ireo ao anatin’ny fotoam-piasany. Ary mora dia mora ny mamorona "dossier" rehefa ampiarina ny alako bika tsy tiako tarehy... Inona anefa ny voavaky ao anatin’ny lalampanorenana izay nolazainy fa ho tandroviny toa ny anakandriamasony ?

Andininy 73.- Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsabato nataony teo am-panaovana ny asany.

Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby (“flagrant délit”).

Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan’ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin’ny Biraon’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka.

Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan’ny solombavambahoaka iray ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin'ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny Birao ao anatin’ny telo volana.

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Io resaka “immunité parlementaire” io dia lalàna iraisam-pirenena, toa ny « immunité diplomatique ». Izany hoe atsy ho atsy koa dia azon’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny manokatra ireny « valises diplomatiques » ireny sao ao no misy ny volan’ny andramena… Aleho atao amin’ny teny frantsay ny fanazavana io « immunité parlementaire » io ary mihatra maneran-tany :

L’immunité parlementaire est une disposition du statut des parlementaires qui a pour objet de les protéger dans le cadre de leurs fonctions des mesures d'intimidation venant du pouvoir politique ou des pouvoirs privés et de garantir leur indépendance. L'immunité parlementaire est liée à la durée du mandat. Elle est « personnelle », elle ne concerne donc que le parlementaire lui-même. Elle ne s'applique ni à sa famille, ni aux personnes à son service, ni à ses complices éventuels. Elle ne s'étend, ni à son domicile, ni à son lieu de travail et permet ainsi la saisie de ses biens ou une perquisition domiciliaire. La levée de l'immunité parlementaire est possible mais elle est « partielle » puisqu'elle ne concerne que l'inviolabilité et « subsidiaire » en ce qu'elle n'empêche pas le parlementaire de conserver son siège au Parlement bien qu'elle puisse l'empêcher d'y siéger physiquement. L'immunité parlementaire est « préalable » à toute mesure judiciaire nécessitant sa levée et constitue un moyen « d’ordre public ».

Santionan'ireo "immortels" na hoe hitoetra eo mandrakizay

Santionan'ireo "immortels" na hoe hitoetra eo mandrakizay

Manginy fotsiny ilay hoe tsy mahazo manao « pétition” (fitarainana an-tsoratra) intsony ireo depiote ireo ao anatina fivoriana. Inona izany no ilana io Antenimieram-pirenena io ? Tsy aleho ve tonga dia foanana fotsiny izao ? Ary na ny Antenimieran-doholona -mbola tsy nitsangana- aza mety ho voafehin’ireo fepetra jadona ireo. Izany hoe : voahitsakitsaka tanteraka ny zon'olombelona ("droits de l'homme") sy ny fahafahana maneho hevitra ("liberté d'expression") manomboka eto. Tena tany tan-dalàna "vaovao" tokoa e !

Ireto izany ireo vahoaka adala, "communs des mortels" lasa "sujets du roi". Izao ny hafatr'izy ireo : "Ny Andriamanitra tsy andrinao, andrinay foana"

Ireto izany ireo vahoaka adala, "communs des mortels" lasa "sujets du roi". Izao ny hafatr'izy ireo : "Ny Andriamanitra tsy andrinao, andrinay foana"

Satria tokoa inona intsony moa ny manakana azy tsy hisalotra ny satro-boninahitry ny maha-mpanjakan’i Madagasikara azy ? Lasa "sujets communs des mortels" daholo isika mianakavy. Fa ry zalahy ao ambony ao sady tsy azo kitihina sy ozongozonina intsony no lasa "immortels".

Zavatra mifanipaka anefa izany eritreritr'adala izany. Izany mpanjaka izany dia avy amin’Andriamanitra ny fahefany. Izany marina ve ny amin’ity filoha afa noho ny afa ity ? Io ambany io ny fianianana nataony:

25 Janoary 2014. Kianjan'i Mahamasina sambany teo amin'ny Tantara, tsy feno...

25 Janoary 2014. Kianjan'i Mahamasina sambany teo amin'ny Tantara, tsy feno...

« Eto anatrehan'Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanantanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan'ny Firenena Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka ».

Ny 25 sy 26 May 2017 dia hivory ry "Bien-aimés frères" ireto, ao aminy Carlton Anosy

Ny 25 sy 26 May 2017 dia hivory ry "Bien-aimés frères" ireto, ao aminy Carlton Anosy

Ireo manaraka eo ambany ireo kosa ny lalàna avy amin’Andriamanitra mikasika ny lainga sy ny fitaka. Ny mahavariana -nefa tokony tsy hahagaga intsony- dia zanaka pasitora izy ary pasitora ihany koa ny rahalahiny. Kanefa, etsy andaniny dia mpikambana ao amin'ny "Grande Loge Rite Malgache" -sampana ao amin'ny "Grande Loge Nationale de Madagascar"-, izany hoe "Franc-maçon" ingahy Hery Rajaonarimampianina. "Ceci explique cela", hoy ny Frantsay na hoe : izany ny mahatonga azy manao ireo fihetsika jadona ireo. Afa ny zavatra mivoaka eo aminy vavany ary mifanipaka amin'ny teniny ny fihetsika sy ny fomba ataony, voarirotry ny "franc-maçonnerie".

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Iza moa ny tokan-trano Malagasy tsy manana izany Baiboly izany ? Fa firy ny ao ankohonana ao no mba mamaky azy ? Koa dia fotoanany izao hanokafana io bokin’ny fiainana io. Aza miandry ny ora farany vao hahatsapa fa tany fandalovana fotsiny ihany ny eto. Ireto ary ny tokony hotsakotsaoan’ilay filoha mikotroka fatratra ho lasa mpanjakan’i Madagasikara, amin’izao taon-jato faha-telo arivo izao. Fa ho anao mpamaky hajaina koa raha toa ka “tsy manam-potoana” hanokafana io Baiboly feno vovoka ao an-tranonao io. Tsy manery anao aho fa boky toy ny boky rehetra izy io fa tsy izaho mpanoratra akory no miseho na hiseho pasitora na olo-kendriny indrindra eto an-tany. Namaky ary nandika fotsiny ihany ny anjarako eto.

MIKASIKA NY FITAKA VAKIANA AO ANATY BAIBOLY, ILAY BOKY NODORANA NEFA TSY LEVONA

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Lalin-tsaina izy ka hahomby ny fitaka hataony. Hirehareha be ao am-pony izy. Amin’ny fotoana tsy hisian’ny fanahiana no hataony mitondra faisana ny maro. Ary hitsangana hanohitra an’ilay Andrianan’ny andriana izy, kanjo ho torotoro nefa tsy hisy tànana hamely azy. (Daniela 11 : 25)

Tandremo anefa sao voafitaka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa ianareo ary miankohoka eo anatrehany. Dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ka hanidy ny lanitra izy mba tsy hisy orana, ary tsy hahavokatra ny tany. Ary tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tsy ho eo amin’ilay tany soa omen’i Jehovah anareo (Deoteronomia 11 : 16)

Nilaza ianareo hoe: “Efa nanao fifanekena tamin-dRafahafatesana izahay, ary efa nahita fahitana niaraka tamin’ny Fasana. Tsy hahatratra anay ny ranotrambo mitosaka be rehefa mandalo, satria ny lainga no ataonay fialofana, ary miafina ao amin’ny fitaka izahay”. Eny, ataony sary sokitra izany ary iankohofany. Ny antsasak’ilay hazo dia dorany ary itonoany hena hohaniny, ka voky izy. Mamindro koa izy ka miteny hoe: “Mafana aho izany! Mijery ny afo eto aho.” Ny ambiny kosa amboariny ho andriamanitra ka ataony sary sokitra. Miondrika sy miankohoka eo anatrehan’izany izy ka mivavaka aminy hoe: “Vonjeo aho fa andriamanitro ianao.” (Isaïa 28 : 15, 16, 17)

Mihinan-davenona izy. Voafitaka ny fony ka nampaniasia azy. Tsy mamonjy ny ainy izy, sady tsy milaza hoe: “Tsy fitaka fotsiny ve ity eto an-tanako ankavanana ity?”. (Isaïa 44 : 20)

Lozan’izay manorina trano nefa amin’ny tsy fahamarinana, ary manao efitra ambony rihana nefa amin’ny fitaka, ka mampiasa olona nefa asainy miasa maina fotsiny ireny ary tsy omeny karama. Eny, lozan’izay manao hoe: “Hanao trano lehibe ho an’ny tenako aho, sy efitra ambony rihana malalaka be”. (Jeremia 22 : 13, 14)

“Fa misy ratsy fanahy amin’ny oloko. Mitilitily tsy misy farany toy ny mpamandri-borona mifitsaka ao amin’ny miafina izy ireo. Mamela-pandrika mahafaty izy ireo, ary olona no azony. Toy ny tranom-borona feno vorona, dia feno fitaka koa ny tranony. Koa nanjary olona ambony sy manankarena izy ireo, ka nihanatavy sy mandimandina. Tafahoatra loatra ny ratsy vitany. Tsy mba nitsara araka ny hitsiny izy ireo, ary na ny kamboty ray aza tsy nomeny rariny. Amin’izay dia mahomby izy ireo. Tsy noraisiny an-tànana ny fitsaràna ny mahantra.’” “Koa tsy tokony hanao ampamoaka ve aho noho izany?”, hoy i Jehovah. “Ary tsy tokony hovaliako ve ny firenena toy izany? Zava-mahagaga sy mahatsiravina no mitranga ao amin’ilay tany: Maminany lainga ny mpaminany, fahefany ny mpisorona. Dia tian’ny oloko erỳ izany! Koa hanao ahoana re ianareo rehefa hifarana izany rehetra izany e?”. (Jeremia 5: 26, 27, 28, 29, 30)

Nahoana no mivadika amiko ity vahoakan’i Jerosalema ity sady mikiribiby amin’izany fivadihany izany? Mamitaka foana izy ireo, ary tsy mety miverina amiko. Nihaino sy nanongilan-tsofina aho, kanefa tsy tsara ny zavatra reko noresahin’izy ireo. Tsy mba nisy nibebaka tamin’ny faharatsiany, ka nanao hoe: “Fa inona ity nataoko?”. (Jeremia 9 : 5, 6)

Hilaza zavatra tsy marina ve ianareo mba hiarovana an’Andriamanitra, Sa hilaza fitaka mba hiarovana azy? Hiangaranareo ve izy? Moa ve ianareo hiady ho an’ilay tena Andriamanitra, any amin’ny fitsarana? Hahasoa anareo ve raha mandinika ny momba anareo izy? Sa hambakainareo izy, toy ny fanambaka olombelona mety maty? (Joba 13 : 7, 8, 9)

Dia hoy izy: “Mitandrema sao ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no izy’, sy hoe: ‘Efa manatona ny fotoana voatondro.’ Koa aza manaraka azy. Ary aza raiki-tahotra rehefa mandre ady sy korontana ianareo, fa tsy maintsy hitranga aloha izany, nefa tsy ho tonga avy hatrany ny farany”. (Lioka 21 : 8, 9)

Koa asaivo atao tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy ny mpianany ka hangalatra azy ary hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia ho ratsy noho ny voalohany izany fitaka farany izany”. (Matio 27 : 64)

Ny fahendren’ny malina no mahatonga azy hahalala ny ataony, fa mamitaka kosa ny hadalan’ny tsisy saina. (Ohabolana 14 : 8)

Mamin’ny olona ny hanina azo amin’ny fitaka; kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany. (Ohabolana 20 : 17)

Fitaka no entiny manafina ny fankahalany. Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso (na koa : hibaribary eo anivon’ny fiangonana ny toetra ratsiny). (Ohabolana 26 : 26)

Fasana misokatra ny tendany, ary ny lelany no amitahany.” “Poizin’ny bibilava no ao ambadiky ny molony.” “Feno ozona sy teny maharary ny vavany.” “Mailaka handatsa-drà ny tongony.” “Misy faharavana sy fahoriana eny amin’izay alehany, ary tsy fantany ny lalàn’ny fiadanana.” “Tsy hitan’izy ireo izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra”. (Romana 3 : 13, 14, 15, 16, 17, 18)

Nahoana ianao no mirehareha amin’ny zava-dratsy, ry ilay mahery ô? Mitohy isan’andro ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra. Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza, Sady mamitaka. Ny ratsy no tianao noho ny tsara, Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. Tianao daholo izay teny mitondra loza, Ry lela mpamitaka ô! Horinganin’Andriamanitra mandrakizay ianao. Handavo anao izy, ary hisintona anao avy ao an-tranolainao. Hanongotra anao hiala amin’ny tanin’ny velona tokoa izy. (Salama 52 : 1, 2, 3, 4, 5)

MIKASIKA NY LAINGA VAKIANA AO ANATY BAIBOLY, ILAY BOKY NODORANA NEFA TSY LEVONA

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Lainga fotsiny no voasoratry ny penin’ny mpitan-tsoratra. Menatra ny hendry. Mihorohoro sy voafandrika izy ireo. Ny tenin’i Jehovah no nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany? (Jeremia 9 : 8, 9)

Hankasitrahana ny tenin’ny marina, fa lainga kosa no eo am-bavan’ny ratsy fanahy. (Ohabolana 10 : 32)

“Ary ao am-pony ao, dia samy haniry hanao ratsy ireo mpanjaka roa ireo, ka hilaza lainga eo amin’ny latabatra iray ihany. Tsy hisy hahomby anefa izay hataony, satria amin’ny fotoana voatondro vao ho tonga ny farany. (Daniela 11 : 27)

Fa any ivelany ny alika sy ny mpilalao ody sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay tia lainga sy mpandainga’. (Apokalipsy 22 : 15)

Ary hozimbazimbainareo eo imason’ny oloko ve aho mba hahazoanareo vary orza eran’ny tànana sy hahazoanareo sombi-mofo, ka vonoinareo izay tsy tokony ho faty ary tsimbininareo kosa izay tokony ho faty, noho ny nilazanareo lainga tamin’ny oloko, izay nihaino ny lainganareo?”’(Ezekiela 13 : 19)

Nataonareo izay hahakivy ny fon’ny olo-marina noho ny lainganareo, nefa izaho aza tsy nanao izay hampalahelo azy akory. Nanome tànana ny ratsy fanahy koa ianareo, mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny ka hitsimbinana ny ainy. (Ezekiela 13 : 22)

“‘Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘Noho ianareo nilaza zavatra tsy marina sy nahita fahitana mandainga, dia homelohiko ianareo’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” Ary ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahita fahitana tsy marina sy maminany lainga avy amin’ny sikidy. Tsy ho anisan’ny oloko intsony izy ireo, dia ireo oloko mpinamana akaiky. (Ezekiela 13 : 8, 9)

Zavatra lainga no tao amin’ny fahitana nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tokony ho naharihariny ny fahadisoanao mba tsy hahalasa babo anao, nefa tsy nataony izany, Fa mbola lainga sy famitahana ihany no tao amin’ny fahitana nambarany taminao. (Fitomaniana 2 : 14)

Hahita loza izy fa nandositra ahy! Ary horobaina izy fa nandika ny lalàko! Mba nanavotra azy aho, nefa nandainga momba ahy izy. (Hosea 7 : 13)

Hiala koa izy ireny noho ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga, izay manana feon’ny fieritreretana toy ny voatomboky ny vy mahamay. (1 Timoty 4 : 2)

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I
Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Santionany fotsiny ihany ireo. Tena mamaky Baiboly sy matahotra an’Andriamanitra ary mitandrina ny Teniny tokoa ve ilay kandida laharana faha-3 lasa filoha voafidy sy mba miditra am-piangonana ihany ? Tsia ny valiny raha ny zava-bitany nandritra izay telo volana izay ary mitohy sy hitohy ka hivadika tanteraka ho mpanjaka kely hitovy amin’Andriamanitra izy. Hatraiza anefa izany fahefan’izany "mpanjaka Hery Martial I" izany ?

PAPA FRANCOIS

PAPA FRANCOIS

Madagasikara : ilay Filoha mitady ho lasa Mpanjaka Hery Martial I

Ary androany Alahady 27 Aprily 2014 tao aminy Vatican any Roma, dia niara-nasondrotry ny Papa François ho Olo-masina ny Papa Jean XXIII sy Papa Jean Paul II. Ny eto Madagasikaraka dia toa olo-mantsina hatrany no mitondra ny firenena... Ka ho entina aiza hono anefa, nefa mba voafidy ihany?

Jeannot Ramambazafy – Alahady 27 Aprily 2014

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article