Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar
15 Octobre 2013
Rehefa avy nitsidika ny tanàn’ny Mahitsy, Sabotsy Ambohitromby, Antanifotsy, Antsirabe, Arivonimamo, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Anosibeanala, Mahanoro, Brickaville, Vavatenina ary Sainte-Marie ny kandida faha-33, Hery Rajaonarimampianina, dia izao no tsikariny sy tsapany: “Araky ny tarehi-marika voaray farany dia tsy mifanaraka amin’ny velaran-tany azo ambolena ny vokatry azo ao Antanifotsy. Resaka fandrindrana ny rano no mahatonga izany. Ka ny fanjakana tarihiko dia hanangana asa goavana fanamboarana toho-drano. Izany dia hampiroborobo ireo vokatra hita ao amin’io faritra io sy any amin’ny faritra rehetra ihany koa”.