Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana

Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana

Dia izay izany fa ho tontosaina ny faha-25 Oktobra 2013 ny fifidianana ny ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV eto Madagasikara. Ary ny 20 Desambra 2013 ny fiodinana faharoa (raha misy) hatambatra amin’ny fifidianana ny Depiote. Raha mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena dia eo no hampiasaina voalohany ilay biletà tokana izay efa nangatahina tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana nefa nahemotra lava…

Mitodika any amin’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, daholo ny vahoaka iray manontolo sy izao tontolo izao, miandry izay fanambarana ataony androany zoma 23 Aogositra 2013. Maro ireo manao kajikajy, miala avy amin’ny toerana misy azy tsirairay, ny fihetsem-pony, ny antoko misy azy, sns. Nefa misy lojika ao ary ny fahamarinana dia iray sy tokana ihany. Fampahatsiahivana ny zava-nisy.

Tena nataon-dry Ravalomanana mivady sorona tokoa i Bebe Razay

Tena nataon-dry Ravalomanana mivady sorona tokoa i Bebe Razay

Efa nanambara ampahibemaso, ho ren-tany sy ho ren-danitra fa tsy hilatsaka ho kandida ny tenany. Izany dia talohan’ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana. Ity farany ity anefa nanao sonia fa rehefa miverina eto an-tanindrana izy dia tsy hanao politika fa hikarakara ny reniny, Bebe Razay, izay mandroso taona ka manomboka mora anderan’ny aretina. Jereo eo ambany izany fifanarahana izany. Ny mahagaga dia toa ny sonian’i Marc Ravalomanana no tazana ao… Jereo tsara.

Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana
Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana
Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana
Madagasikara Fifidianana 2013: Ny marina, marina ihany ary tokana foana

Ny mahazendana dia efa fantatr’i Lalao Ravalomanana fa tsy mahafeno ny fepetra ho kandida mihitsy izy raha ny lafin’ny fipetrahana teto nandritra ny enim-bolana tsy niato ary indrindra ny mikasika ny resaka hetra. Fa an an an. Napetrany ihany ny dosie-ny. Izany hoe efa tsy ara-dalàna tam-boalohany ny mikasika ny maha kandida azy. Tamin’io fotoana io moa dia nilaza ny Sadc fa avelao halalaka ny firotsahana ka afaka milatsaka daholo mba hafahan’ny Malagasy misafidy malalaka. Nisy tolona anefa tao, nahatonga izao tetezamita izao sy ny fahasahiranana niterany satria olona tsy voafidy no mitondra. Ary efa mihoatra ny efa-taona be izao.

Amin’ny fomba ahoana moa no anekena olona naloan’ny vahoaka dia hiverina hilatsaka ho fidiana indray ? Satria i Lalao Ravalomanana, na tiana na tsy tiana dia olona iray amin’I Marc Ravalomanana ihany. Resabe ny sisa. Tapak’hevitra ny Filoha Rajoelina fa hilatsaka ihany koa. Ary nametraka ny dosie-ny ihany koa, na dia efa tara amin’ny fotoana ara-dalàna aza. Ingahy Didier Ratsiraka moa dia aleho tsy resahina eto fa mahalala ny vahoaka e !

Dia nivoaka tokona ny lisitra voalohany, ny 3 May 2013, ka 41 no isan’ireo kandida ary tafiditra tao izy telo mianaka ireo dia: Didier Ratsiraka, Lalao Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Fanapahan-kevitra politika io fa tsy dia ny lalàna loatra no narahin’ireo mpikambana tao amin’ny CES voalohany. Mba tsy hisy tombony sy ala fa dia samy mahazo milatsaka na ny ara-dalàna na ny tsy ara-dalàna satria ireo kandida 41 ireo no mitaratra fa voasolo daholo ny antoko politika matanjaka misy eto Madagasikara. Tamin’io fotoana io koa tsy nisy niteny, na ny teto an-toerana, na ny any ivelany. Ary nisy solontenan’ny vondrona iraisam-pirenena mihitsy no tonga nanatrika ny fitsapana ny filaharan’ireo kandida eo amin’ilay biletà tokana, ny 8 May 2013. Taty aorian’io dia taitra tampoka ny Lafrantsan’i François Hollande fa hoe tsy ara-dalàna ny firotsahan’ireo kandida telo ireo. Misy tokoa ny fahamarinan’izany fa tsotra ilay izy: na milatsaka daholo na tsy misy milatsaka daholo ireo tsy ara-dalàna rehetra. Dia nandeha ny andro, nifandimby ny ora. Nisy lisitra vaovao indray navoakan’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny CES, ny alin’ny 17 Aogositra 2013, nahitana kandida miisa 32. Dia nanomboka nitabataba ny firehana Ravalomanana satria hoe “baikon’ny vahiny”. Tsy nisy tohiny anefa izany.

Ny alin’ny 21 Aogositra 2013 dia namoaka lisitra farany i François Rakotozafy, Filohan’ny CES vaovao. Ary lasa 33 no isan’ireo kandida. Ny ampitsony dia namoaka daty vaovao ny CENI-T ka ny 25 Oktobra 2013 no hotontosaina ny fiodinana voalohan’ny fifidianana izay ho Filoha voalohan’ny Repoblika faha-IV, ary ny 20 Desambra 2013 ny fiodinana faharoa hatambatra amin’ny fifidianana izay ho Depiote. Raha izany, dia alohan’ny Krisimasy 2013 izany dia hisy Filoham-pirenena vaovao voafidy eto Madagasikara.

Eto amin’izay no mipetraka ny fanontaniana hoe: inona no ho lazain’ny Filohan’ny Tetezamita rahariva, eo anatrehan’izany rehetra izany? Tsy mpaminany akory aho na koa mpimasy fa amiko dia hanaraka ny lojika izy. Izany hoe, hankato ny ara-dalàna satria tokoa tsy nisy ao anatin’ilay lisitra farany ny anaran-dry Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana (izay Marc Ravalomanana ihany) ary ny azy. Raha izay dia be ny hiteny indray fa “namadika ny tolona izy”. Tokony hisaina amin’ny saina ny olona mihevitra izany fa tsy misaina amin’ny fo. Efa mihaotra ny efa-taona no tsy nisy filoham-pirenena voafidy nitondra eto. Ny fiverenana amin’izany hoe “ordre constitutionnel” (niniako natao teny frantsay io) dia tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany. Ka eken’ny Malagasy sy izao tontolo izao. Mila taperina koa ity Tetezamita ity. Be no efa nilaza fa hoe “teteza-mihitatra” izy ity…

Mino aho fa ny tian’ny Filoha Rajoelina dia ny hamarana azy rahampitso dia rahampitso. Kanefa mora ny miteny fa mila làlan-kizorana maty paika izany. Mila mandresy lahatra ny vahoaka Malagasy izy fa tombontsoan’ny firenena iray manontolo ny fanatontosana ireo fifidianana ireo amin’ireo daty voatondro farany ireo. Mila mandresy lahatra ihany koa izy fa tsy namadika ny tolona. Ka ny tsy famadihanana ny tolona dia ny mandroso hatrany. Ny fiainana mbola hitohy ary efa nanambara izy fa ho eo izy amin’ny taona 2018… Ny fampihavanam-pirenena dia tsy hitsahatra akory fa mbola hitohy aorian’ny fifidianana. Tombontsoa ho an’ny vahoaka tokoa ve raha sanatria tsy tanteraka ireo fifidianana ireo ka hitohy tsy hisy farany ity tetezamita ity ? Ary inona marina izany no tadiavina eto amin'ny firenena ? Ny lasa tsy hiverina intsony fa ny taranak'ireo maty tamin'ny tolona rehetra teto Madagasikara dia mendrika fiainam-baovao ao anaty filaminan-tsaina ny fahasambarana, araka ny hiraina ao anatin'ny "Ry Tanindrazanay Malala ô".

Raha aminy maha-olomp-pirenena ahy manokana dia resy lahatra koa aho fa tsy ho mora ny hitondran’io fotoam-piasana voalohan’ny repoblika faha-IV io. Tsy hisy mihitsy aloha izany fampandrosoana izany fa fanarenana aloha. Tsy tanisaiko eto koa ireo fangatahana maro tsy maintsy hitobaka… Ny marina dia asa raha hahavita “mandat” izay filoha vaovao voafidy eo. Izany ny zava-misy ary hisy, fa tokony tsy variana manao fanambarana etsy sy eroa tsy hamaha olana velively fa hanatara ny firosoan’ny firenena. Be no mba vita tao anatin’izay efa-taona mahery izay. Mbola bebe kokoa anefa no ho tontosa any aoriana any… Fa mila firenena milamina aloha. Ary indrindra, mila mpanao politika manana fijery vaovao fa tsy ny an’ny tena foana no hibahana.

Ny faniriako aloha dia ity: rehefa lany izay ho Filoha voafidim-bahoaka izay, dia sambany amin’ny tantaran’i Madagasikara no hahita Filoha roa manao fifamindram-pahefana. Tsy nizy izany teo amin’i Philibert Tsiranana sy Didier Ratsiraka; tsy nisy izany teo amin’i Didier Ratsiraka sy Zafy Albert ary tsy nisy izany teo amin’i Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Koa samia misaintsaina tsara satria ny lojika, lojika ihany ary ny marina iray sy tokana hatrany. Tsy hijanona eto akory ny fiainam-pirenena fa ny aina no mahatezà. Ka dia miandry ny fanambarana ataon’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, rahariva isika mianakavy. Andresy ve ny lojika ny sy fahamarinana sa…?

Jeannot Ramambazafy – 23 Aogositra 2013, 11h30mn

**************************************

ILAY FIFANARAHA AMIN'NY TENY FRANTSAY TSY NARAHIN-DRY RAVALOMANANA MIVADY

Ad para 1

Considérant la demande de S.E Ancien président Marc Ravalomanana pour que son épouse et ancienne première dame Lalao Ravalomanana puisse se déplacer à partir de son Etat de résidence actuel en Afrique du Sud vers Madagascar afin de rendre visite à sa mère malade, les parties se sont ainsi convenues de se qui suit :

Ad para 2

Que les Autorités de Transition (ci-après dénommés TA) dirigé par le Président Andry Rajoelina en sa qualité de Président de la Transition, donne par la présente son accord à ladite demande que l’ancienne première dame Mme Lalao Ravalomanana ait l’autorisation de rendre visite à sa mère malade à titre humanitaire et de compassion.

Ad para 3

Par ailleurs, conformément à l’esprit de la Feuille de Route de la SADC, dans l’intérêt de la paix et de la stabilité, ainsi que dans la protection des progrès réalisés jusqu’à ce jour dans le cadre de la mise en œuvre de la Feuille de Route, et après consultations entre le Président de la Transition et le Président de l’Organe Troïka de la SADC, toutes les parties ont consenti et se sont convenues sur les conditions dans la lettre en date du 28 Février 2013 adressée par le Président Jakaya Kikwete à l’ancien Président Marc Ravalomanana, et laquelle inclut :

  1. Que la visite ne devrait pas être politisée. Car cela pourrait aller à l’encontre de son objectif qui à titre humanitaire.
  2. La SADC et les Autorités Malgaches devront organiser un vol spécial pour emmener Mme Lalao Ravalomanana à Madagascar. Qu’au départ de Madagascar vers l’Afrique du Sud, les membres de délégation/représentants suivants puissent voyager à bord :
  • Mme Olga RAMALASON
  • Mme Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina
  • Commandant Rabenjamina Thierry

Qu’au départ de l’Afrique du Sud vers Madagascar, Mme Lalao Ravalomanana puisse être accompagnée par les membres de délégation/ représentants suivants :

  • Mme Ravalomanana Lalao
  • Mr Radavidra Thierry
  • Mme Ramalason Olga
  • Mme Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina
  • Commandant Rabenjamina Thierry
  1. Durant son séjour à Madagascar, elle est libre de communiquer et rencontrer qui elle veut, mais doit s’abstenir de faire des déclarations politiques et d’organiser des rassemblements politiques.
  2. Le Gouvernement d’Union Nationale de Transition de Madagascar sera responsable de lui fournir du transport et de la sécurité durant son séjour, des privilèges qui doivent lui être accordées en tant qu’ancienne Première Dame.
  3. La durée de séjour de Mme Lalao Ravalomanana ainsi que la date de son départ seront déterminés par les circonstances et conditions de sa mère malade à Madagascar.

Modalités

La date de départ pour cette visite sera convenue par toutes les parties du présent accord, et qu’elle puisse avoir lieu aussitôt qu’il soit raisonnablement possible après la signature du présent accord.

Qu’à son arrivée, Mme Lalao Ravalomanana puisse être accueilli par un maximum de 12 membres de sa famille qu’elle désignera elle-même. (Voir annexe A)

Que les membres des Institutions de Transition et personnalités politiques ne fassent partie du comité d’accueil afin de préserver l’intégrité et l’esprit de cet accord, que cette visite soit à uniquement à titre de compassion et humanitaire.

La durée de la visite de l’Ancienne Première Dame sera déterminée selon les circonstances et conditions suivantes :

  • L’état de santé de la mère de l’ancienne première dame, telle qu’indiqué en point 5, et certifié par les experts médicaux au sein de l’établissement où elle est hospitalisée.
  • Respect de cet accord

Que l’ancienne Première Dame puisse retourner en Afrique du Sud après que la visite soit terminée.

Ad para 4

N.B : les signataires du présent accord ont la pleine autorité légale par délégation et mandat pour représenter S.E Président Kikwete, Président de l’Organe Troïka de la SADC, S.E Président de la Transition Andry Rajoelina, et S.E Ancien Président Marc Ravalomanana, si toutefois une ou toutes les parties suscitées ne signent pas cet accord en personne.

Président de l’Organe Troïka de la SADC – S.E Président Jakaya Mrisho Kikwete

Président de la Transition de Madagascar – S.E Andry Rajoelina

Ancien Président de Madagascar – S.E Marc Ravalomanana

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article