Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Jeannot Ramambazafy : hamoaka atsy ho atsy ny bokin'ny Tantaran'ireo fididianana

Toa io ny fonon'ilay boky izay hirefy A5 ka tsy hihaotra ny 40 pejy misy sary

Hivalona ny taona 2012. Hiatrika fifidianana Filoham-pirenena indray ny vahoaka malagasy, na tiana na tsy tiana. Nisy tantarany daholo ireo.
Ny lasa tsy fanadino ka dia nanapa-kevitra aho hamoaka, atsy ho atsy, ity boky ity. Miantefa amin'ireo mpianatra aloha izy ity.
Maninona tokoa moa no vahiny ary amin'ny teny vahiny foana no mba hafantarana izany tantara iombonana ity ? Marina fa hita ao anaty Internet izy ity, na dia tsy mitambatra aza. Kanefa 17%-n'ny Malagasy ihany anie no mba afaka mijery io tambazotram-pifandraisana io e ! Sady afa ihany ny boky izay azo entina n'aiza n'aiza.
Hatonta ho 10.000 isa izy io ary 5.000 Ariary no ho vidiny.
Koa dia mahareta ry Malagasy liana amin'ny tantara. Ho lazaiko atsy ho atsy ny fotoana hivoahana ary aiza no afahanao mividy io rakitry ny Tantara politikan'i Madagasikara io.
Dia misaotra amin'ny faharetanao.

Jeannot RAMAMBAZAFY

Articles récents

Hébergé par Overblog