Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Filoha Andry Rajoelina: Kabary tao Iavoloha, ny faha-9 Janoary 2013

Ry Malagasy Namako manerana ny Nosy,

Feno hafaliana ny fo ary ravoravo ny saina amam-panahy satria velon’aina ary nahazo tombon’andro indray isika mianakavy amin’izao anitsahana ny taona vaovao 2013 izao.
Andriamanitra ao an-tampon’ny loha izay mandahatra ny fiainantsika sy ny zava-drehetra no tolorana fisaorana sy dera voalohany indrindra. Koa ny Laza sy ny Voninahitra anie ho Azy Irery ihany!

Arahabaina ny Malagasy isam-batan’olona, arahabaina ny isan-tokantrano, ary arahabaina ny Mponina rehetra eto Madagasikara tsy misy ankanavaka, sy ianareo rehetra manatrika etoana tratr’izao Asaramanitra izao.

Mankasitraka sy mankatelina ny firarian-tsoa natolotrareo anay mivady.

Ho lasan’iny taona nivalona iny anie ny ratsy rehetra, ka mba rariana ho taonan’ny soa sy ny tsara, ary ny fahombiazana ho antsika tsirairay, ity taona vaovao ity, ary indrindra indrindra ny Fitahian’Andriamanitra sy ny Fahasoavany no hirotsaka mandrakariva amin’ny Firenena Malagasy iray manontolo mandritra ny 12 volana vaovao izay ho diavina!

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Efa-taona lasa izay dia niezaka nizotra ho any amin’ny làlan’ny “Fanovàna” isika. Nitolona isika mba hahatratrarana izany tanjona izany. Ary tsy tafiditra tao anatin’ny velam-pandriky ny ady an-trano.

Làlan-tsarotra no nodiavina. Tao ny fisedràna, nisy koa ny fingampingana samihafa, ary misy mihitsy aza ny mitady hibaiko ny làlana ho alehantsika.

Sarotra ho an’ireo tsy nijoro tokoa manko, sarotra ho an’ireo tsy nitaky fahafahana, ny hahatsapa ny maha-sarobidy izany fanovàna notakiantsika izany.

Mba hahafahantsika manome lanjany ny hevitra nijoroantsika, ny fototra natsangantsika, àry ny fanovàna tiantsika napetraka, dia mila mijoro hatrany isika, mila miatrika.
Sarobidy amintsika loatra ny fahafahana :

-Ny fahafahana mandray fanapahan-kevitra,
-Ny fahafahana misafidy,
-Ny fahafahana mamaritra ny làlan-kizorana,
-Ny fahafahana mamolavola ny endrim-pandrosoana tiantsika apetraka eto Madagasikara,
-Ny fahafahana mandidy sy manapaka amin’ny harenantsika sy ny fananantsika,
-Maha-saropiaro ahy, maha-saropiaro anao, ary maha-saropiaro antsika loatra izany fahafahana izany.

Kanefa tokony ho fantatrao ry Malagasy Namako, fa ny kajikajy pôlitika sy stratejika, volavolain’ny sasany ankehitriny any ambadimbadika any, dia tsy mamela antsika handroso ankalalahana.
Amiko dia manan-jo hisafidy izay tiany ny Malagasy. Ka tsy olona iray na roa, na antokon’olona vitsy, na Firenena avy any ivelany, no handidy sy hanapaka mikasika izay fomba hitondràna ity Firenentsika ity sy ny olona tokony hitantana azy.

Azontsika ekena ve izany ? Azontsika leferina ve izany ?
TSIA. Tsy azontsika ekena izany, tsy azontsika leferina, satria sarobidy amintsika loatra ny fiandrianam-pirenena !

Tsy nampitahorina ve isika, fa raha tsy misy ny fanampian’ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena, dia tsy hijoro mihoatra ny herin-taona ny Fitondràna Tetezamita.

Voaporofo anefa nandritra izay 4 taona latsaka izay, fa nizotra araky ny tokony ho izy, ny fampandehanan-draharaham-panjakana.

Ny manampi-tsofina no tsy mandre, ary ny minia mikipy no tsy mahita, fa niezaka isika, nanorina isika, nanangana isika ary nametraka isika.

Nandritra ny 52 taona niverenan’ny fahaleovan-tena, dia sambany mba nisy hôpitaly 8 manara-penitra indray naorina, manerana an’i Madagasikara.

Raha tsiahivina tokoa manko ny nanorenana ny Hôpitalin’ny Antsiranana dia efa tamin’ny taona 1899. Izany hoe 113 taona lasa izay.

Tsy porofo ve izany fa efa manomboka mametraka ny fampandrosoana isam-paritra isika, eny, na dia mbola anatin’ny vanim-potoanan’ny Tetezamita aza isika izao.

Tsy nasiana zanak’Ikala hafa, fa na ny any avaratra, na ny any atsimo, na ny any antsinanana, na ny any andrefana, na ny eto afovoan-tany, dia iray ihany ka nampitoviana.

Koa iza no mbola afaka hilaza fa tsy ilaina ny hôpitaly? Hôpitaly hitsaboana ny Vahoaka? Hôpitaly hamonjena aina? Hôpitaly hanasitranana ny aretina maro samihafa?

Maro tokoa ny aretina tokony ho tsaboina eto Madagasikara, fa indrisy ny aretina tena mikiky eto amin’ny Firenentsika, dia ny aretin’ireo Mpanao Pôlitika sasany, izay tena sarotra sitranina, toy:

-Ny aretin-tsainan’ny tsy fijerena afa-tsy ny tenany samirery,
-Ny aretim-pon’ny finiavana hampisara-bàzana,
-Ny aretin-kibon’ny fanaparam-pahefana,
-Ny aretim-bavonin’ny fitiavan-tena,
-Ny areti-mason’ny kolikoly (satria raha vao mandalo ny vola, tonga dia jamba izy ireo),
-Ny areti-mandozan’ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra (satria na hahafaty aza, dia atao foana).

Matoa isika tsy nandroso hatramin’izay, ary mbola mandia làlan-tsarotra hatramin’izao, dia satria maro ireo tsy madio fo, tsy madio saina sady tsy tia Tanindrazana.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Raha ho asiana resaka indray ny sehatry ny fanatanjahan-tena.
Dia voalohany isika no tompon-dakan’i Afrika teo amin’ny lalao baolina lavalava. Zava-dehibe eo amin’ny tantara izany!

Ny tsy fankasitrahana ireo Mpilalao na Athlète-ntsika, ny tsy famporisihina azy ireo hanao ny tsaratsara kokoa, sy ny tsy fanampiana amin’ny ezaka vita, dia famonoana ny afo ao am-pon’izy ireo.

Izay no antony nanosika antsika hanorina ny “Kianja Makis” etsy Andohatapenaka. Toerana izay saika nalain’ny sasany ho azy samirery moa, nefa nananganantsika fotodrafitrasa mipetraka ho an’ny taranaka faramandimby.

Raha tsiahivina dia tamin’ny taona 1937 no nanorenana ny “Stade Malacam”, izay hany kianja tokana nilalaovana ny baolina lavalava teto amin’ny Firenena. Kianja izay tsy nahafahana akory nandray lalao iraisam-pirenena.

75 taona aty aoriana vao tanteraka ny nofinofy, tafatsangana ny kianja manara-penitra.
Ary handray ny “fifaninanana ho tompon-daka eran-tany” amin’ny sokajy “junior” isika amin’ny taona 2014. Mavesa-danja koa izany!

Rehefa hita sy azo tsapain-tànana ny ezaka vita, indrindra ka porofoin’ny fibatàna amboara iraisam-pirenena, dia mendrika fanampiana sy fanohanana izany. Izay indrindra no antony tsy maintsy hanampiantsika ara-bola sy ara-pitaovana azy ireo.

Ka iza àry? Iza àry no mbola afaka hilaza fa tsy ilaina ny “Kianja Makis”? Ary tsy mendrika ny ho ampiana ireo Mpilalao nasionalintsika ireo.

Raha ny tontolon’ny kanto indray no andeha asiantsika resaka, dia sambany ka sambany, no nisy Kianja lehibe sy goavana naorina teto Madagasikara. Dia ny “COLISEUM DE MADAGASCAR” izany, izay tokana aty amin’ny ranomasim-be indianina ary lehibe indrindra aty Afrika.

Izay vao mba nisy fijerena akaiky sy fitsinjovana manokana ny fivoaran’ny asan’ny Mpanakanto.

Ka iza indray àry no mbola sahy hanambara fa tsy mendrika izany ny Mpanakanto Malagasy?

Nitsinjo ihany koa ireo Mpianatry ny Ambaratonga Ambony isika, satria dia efa tafatsangana avokoa ireo Tranobe fonenan’ny Mpianatra any amin’ny Oniversite rehetra manerana ny Faritany.

Manaraka izany, raha iny vita iny ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, dia ho tokanana amin’ny herinandro ambony indray koa, ny Lapan’ny Tanàna manara-penitra any Toamasina.

Etsy andanin’izany, TRANO MORA aman-jatony maro no nanorina manerana ny faritany rehetra ihany koa, ho an’ireo Tanora vao misandratra.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Eo amin’ny lafiny ara-bola, dia vitantsika hatramin’izao ny nanefa ireo trosa rehetra nobaben’ny Firenana Malagasy.

Tsy mbola namorona na nanonta vola tsy misy antoka (na ny atao hoe “planche à billets”) isika. Ary voatazona hatrany ihany koa ny sandam-bola malagasy sy ny heriny, raha hoarina amin’ny sandam-bola vahiny.

Ry Malagasy havako,

Efa efa-taona lasa izay, no niaraha-nahafantatra, ary efa niomanantsika ara-tsaina rahateo, fa ho sarotra sy ho be fandrimpandrika ny làlana mankany amin’ny “Fanorenana” sy ny “Fanovàna”. Ary amin’izao vaninandro androany izao, dia ao anaty kihon-dalana ny Fiainam-pirenena.Tsy misy intsony ny afaka hiteny, na ho sahy hanambara, fa tsy nahavita isika.

Na teo aza ny sakantsakana samy hafa sy ny fanakiviana, tsy nahasakana antsika tsy hiasa sy hiezaka izany rehetra izany. Na iza nanatsatso, na iza naneso, dia azy ny azy, satria ny antsika, dia ny “Asa vita sy ny bainga voavadika” ihany no porofo.

Nesorina tamintsika ny fanampiana, nesorina tamintsika ny famantsiam-bola, nesorina tamintsika hatramin’ny fankatoavana aza, fa misy zavatra tsy azo esorina amintsika Malagasy, dia ny fitiavan-tanindrazana izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Nametraka ny pôlitikan'ny fitsitsina eo anivon'ny kitapo-bolam-panjakana, ary nanamafy hatrany ny fanatsaràna ny fitantànana isika, mba tsy hisian'ny gaboraraka sy ny fandanindaniam-poana.

Raha fintinina dia : niezaka tamin’ny herin’ny tenantsika isika, nametraka ny fanamby, ary dia tratra ny tanjona.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Noresahina sy novoizina tato ho ato ny resaka Zon’olombelona.

Saingy mipetraka ihany ny fanontaniana hoe Zon’olombelona inona sy manao ahoana moa ity tsy maintsy ho arovantsika ity?

Fiarovana ny zon’ireo Dahalo mpandripaka Vahoaka sy mpandroba fanan’olona ve? Sa fiarovana ny zon’ireo Vahoaka tsy manan-tsiny?

Nandray ny andraikiny ary nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo Mpitandro ny Filaminana mba hiaro ny Vahoaka sy ny fananany. Nefa akory ny fahagagana, fa toa misy ny faly, raha mbola tsy voasambotra Remenabila ?

Tahaka ny fisian’ireo faly raha tapaka ny famatsiam-bola sy ny AGOA, ka sahirana ny Vahoaka àry very asa ny maro.

Sanatria ve dia tonga amin’ilay fitenenana manao hoe : “ny fahorian’ny hafa, ifalian’ny sasany”.

Izany no anisan’ireo aretina mila fanasitranana eto amin’ity firenentsika ity. Ny toe-tsaina mihitsy no tokony ho sitranina. Misy toe-tsaina mihevitra fa tokony ho ampiharina sy ho tanterahina rehefa hevitra avy any ivelany, na dia tsy mifanaraka amin’ny soa toavina Malagasy aza izany.

Koa satria ve, mampanambady ny samy lehilahy, na ny samy vehivavy ny any ivelany, dia ho terena koa isika hanaraka izany, satria hevitra avy any ivelany, sady lazaina ho fanajàna Zon’olombelona?

Toy izany koa ny resaka voizina momba ny fitoniana.

Ny fahalalahana ve dia midika ho fanjakan’i Baroa?

Ny haino aman-jery ve natao :

-Hampizarazara sy handranitana adim-poko? sa natao hitaizàna?

-Hampianarana fikomiana sy fanamboarana fitaovam-piadiana hifamonoana, sa ho fitaovana fampalalaham-baovao?

-Hamingavingàna, sa hifanajàna?

-Hanabeazana, sa hamitàna saim-bahoaka?

Misy ireo rafitra eto amin’ny Firenena natokana handrindra izany rehetra izany.

Ry Malagasy Namako,

Ombieny ombieny aho no efa nilaza fa, azontsika atao tsara ny mampandroso ny farim-piainan’ny Vahoaka Malagasy, amin’ny alalan’ny harena, ananan’ity Firenentsika ity.

Ny nandrasan’ny Malagasy tamin’ny Mpanao Pôlitika, indrindra fa ny Mpitondra, dia ny fikarohana ny hevitra sy ny fomba rehetra, mba hifampizarana ny vokatr’ireo harena, ao ambanin’ny tany sy anatin’ny ranomasina, hampandrosoana ny Firenena, fa tsy ho an’ny orin’asa avy any ivelany fotsiny, na ho an’ny Firenen-kafa.

Adidiko ny mizara aminao ry Malagasy Namako, ny anisan’ny ady atrehantsika ankehitriny, mba hiarovana ny harem-pirenena Malagasy.

Fantatrao ve fa 1% fotsiny, no mba hany anjaran-tombotsoan’ny Vahoaka Malagasy, amin’ny vokatry ny fitrandrahana NICKEL sy COBALT, izay isan’ny harembe sesehena ananantsika?

Mitentina “1,5 Milliards de dollars” isan-taona ny vola hiditra amin’izany fitrandrahana izany, nefa dia “15 Millions de dollars” fotsiny no mankaty amin’ny Vahoaka Malagasy.

Tsy vitan’izany, lazaina fa “5 Milliards de dollars” ny vola nampiasaina tao, na atao hoe “investissements”.

Raha ataontsika izany ny kajikajy tsotsotra, dia eo amin’ny 3 na 4 taona eo fotsiny dia efa tafaverina ny renivolany, ary dia tombontsoa mihoampampana no ho raisin’ireo Mpitrandraka mandritry ny taona maro aorian’izay.

Dia rariny ve izany hoy ianao?

Izany anefa no santionan’ny fifanarahana natao sonia teto amin’ity Firenena ity! Ary dia tsoriko aminareo androany, fa ny tsy fanekena izany toe-javatra izany, no miteraka olana sy teritery maro atao amin’ny tenako.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Rehefa tsy mangalatra ny Mpitondra, rehefa miezaka amin’ny fahaiza-mitantana, rehefa tsy mangoron-karena, na ny kely eo am-pelatanana aza, havitàna zavatra betsaka, ao anatin’ny fotoana fohy.

Maika moa raha voapetratsika ny pôlitika vaovao sy maharitra ho entintsika hitrandrahana ny harenantsika Malagasy.

Soa rahateo fa misy ireo Firenena mifampidinika amintsika ankehitriny, vonona hiara-hiasa amin-kitsimpo, hijery sy hitsinjo ny tombotsoa iraisana. Ary anjarantsika sisa no misafidy azy ireo.

Ry Malagasy Namako,

Ny Mpitantana mandalo fa ny fotodrafitrasa mitoetra.

Koa tsy maintsy manohy manorina isika.

Hiarahantsika mahita ny fitohanan’ny fifamoivoizan’ny fiara eto an-drenivohitra. Tsy maintsy mitady vahaolana amin’izany isika.

Ka eto dia mahafaly ahy sahady ny mampahafantatra anareo, fa hanokatra làlana vaovao isika, hampitohy ny Renivohitra amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato.

Izany tetikasa izany dia hanomboka amin’ny volana Febroary izao, ary ho vita afaka volana vitsy.

Manarak’izany, dia hamafisiko eto koa ny fampanantenana nataoko, amin’ny tsy maintsy hanorenantsika fotodrafitrasa nasiônaly manara-penitra, hanofanana ireo “Mpanao fanatanjahantena avo lenta”, na “Centre National Professionnel des Sports”.

Ary rahampitso moa ny tenako dia efa handray ny Tompon’andraikitra avy any ivelany afaka hifanampy amintsika amin’izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Nandritra ny 3 taona dia nampitombona 10% isan-taona ny karaman’ny Mpiasam-panjakana. Izany hoe efa mahatratra 30% izany ny totalin’ny fisondrotrana nandritra ity Tetezamita ity.

Ny tenako dia mino sy resy lahatra, fa mbola azo atao tsara ny manondrotra 10% indray, amin’ity taona ity, izany karaman’ny Mpiasam-panjakana izany.

Fa satria moa fiarahana mitantana izao vanim-potoana izao, dia mitodika aminao aho Andriamatoa Praiminisitra sy aminareo Minisitra voakasika amin’izany, mba handinika ny fanatanterahana izany fisondrotana izany.

Ary satria koa moa eo amin’ny fotoanan’ny Asaramanitra toy izao, dia zary efa fomba fanaontsika ny manome fanalefahan-tsazy ho an’ireo Mpiray Tanindrazana diso làlana, ka voafonja.

Koa ho an’ireo izay voasazy 5 taona no midina, ka tsy nanao heloka be vava, dia omena famontsoran-keloka manomboka amin’ny 2 volana ka hatramin’ny enim-bolana izy ireo.

Ary ho an’ireo rehetra izay feno 70 taona no miakatra, ka tsy nanao heloka be vava ihany koa, dia angatahana ny Fitsarana mba hamotsotra tanteraka azy ireo, mba hiverenan’izy ireo any amin’ny Fianakaviany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Efa samy vonona ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity.

Hamarana ny Tetezamita izany isika, ary hiroso amin’ny fananganana ny rafitry ny Repoblika faha-efatra.

Misaotra sahady ireo Tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, izay hifarimbona sy hifanome tànana hahatontosa an-tsakany sy an-davany izany fifidianana izany.

Mino sy matoky ny tenako fa : ho avy mamiratra no manoloana antsika, ny soa sy ny tsara indrindra no miandry antsika.

Koa ho taonan’ny firaisankina anie ity taona vaovao 2013 ity !

Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra.

Masina ny Tanindrazana.

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy!

Articles récents

Hébergé par Overblog