Overblog Suivre ce blog
Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Voir les commentaires

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Rakotoarisoa Faniry Alban ny tena anarany. Iza moa no tsy mahalala azy eto Madagasikara amin’ny anaranan’ny tarika Gangstabab na koa Baba? Nanapak’hevitra ny lehilahy fa hiditra eo amin’ny sehatra politika. Hanao toa ireo filoham-pirenena rehetra voafidy nifandimby ve izy anefa? Fantaro ary aloha ny tena naharisika azy hiditra amin’ity sehatra nosibain’ny mpanao politika malagasy sy ny tena nahatonga azy nirotsaka. Amiko manokana aloha, izay niaina sy nahita ireo filoha rehetra, nanomboka tamin’i Dadabe Tsiranana ka hatramin’ity Hery Rajaonarimampianina mamarina an-kady ny firenena ity dia tsotra : Tanora toa an’i Baba no tena hanavotra ny firenena ka hanangana ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny taranaka hifandimby.

Jeannot Ramambazafy

Madagasikara. Nitsangana ny Antoko APM. Kabarin’i Gangstabab

Andriamatoa sy Ramatoa isany vahiny manan-kaja sivily sy miaramila tonga manatrika etoana

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-miasa sy mpikambana ato anatin’ny APM - Antoko Politika Madio

Ianareo mpanao gazety sy tompon’andraikitra ao anatin’ny fitaovan-tserasera
Ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

- Tsy misy tsony ve ny 4mi sy tsy manan-kialofana? Tsy ho kere intsony ve ny any atsimo? Tsy misy intsony ve ny risoriso sy ny kolikoly amin’ny sehatra maro? Tsy misy tsony ve ny dahalo, ny mpanendaka, ny mpamaky trano? Tsy misy intsony ve ny delestage eto Madagasikara? Tsy misy intsony ve ny fanondranana bois de rose, volamena, sokatra sy harem-pirenena hafa?

- Mahazo rano fisotro madio ve ny isam-batan'olona ary manana paompin-drano ve ny isan-tokantrano, eto an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra? Mitombo ve ny harin-karena faobe? Mitombo ve ny vola miditra any anaty kitapom-bolam-panjakana ary mankaiza ireny vola miditra ireny? Ampiasaina ho tombotsoan’ny vahoaka ve izy ireny sa hireven’ny manam-pahefana? Mitombo ve ny SMIG? Mitombo ve ny PIB? Stable ve ny sandam-bola malagasy? Voafehin’ny fitondram-panjakana ve ny fiakaran’ny vidim-piainana? Miaina am-pilaminana ve ny vahoaka? Vita ve ny làlam-pirenena sy ny làlana anaty tanàn-dehibe? Afaka tanteraka ary tsy hiverina intsony ve ny fako eto Antananarivo sy any amin’ny faritany ka ho lasa tanàna mendrika ohatry ny any andafy ny eto Madagasikara?…

Ny valiny dia TSIA!

- Mahantra ny vahoaka ary gisitra hatrany ny firenena malagasy noho ny afitsoky ny mpanao pôlitika tia tena, tsy nahavita azy teo aloha sy tsy mahavita azy amin’izao.
- Tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny eto Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao fa atao fangoronan-karena, fitadiavana voninahitra sy tombotsoa mihoa-pampana ny fanaovana pôlitika

- Tsy manam-panahy, tsy manana fahendrena, tsy ampy fahaiza-manao ary tsy nisy nahomby avokoa ny mpitondra firenena tsy niomana izay nifandimby teto hatramin'izay. Tonga eo amin'ny fitondrana vao manangana sy manorina antoko politika
- Vokany: mahantra ny vahoaka, potika ny làlana, maimbo sy feno fako ny tanàna, dondrona ny ankizy fa tsy zarizary, tsy araka ny tokony ho izy ary tsy misy ny hoenti-manana amin’ny fianarana. Tsy misy mangirana fa maizina tanteraka ny ho avin’ny mpianatra, mitombo andro aman'alina ny tsy an'asa

- Ary ireto mbola misy fanontaniana vitsivitsy:

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny fanondranana bois de rose sy fanondranana sokatra voalaza teo

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny fasy mainty ao Fort Dauphin sy Manakara

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny cobalt sy nickel any Moramanga

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny chrome any Morarano, Andriamena, Befandriana ary Antsohihy

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny souffre any Morondava

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny diamant any Amboasary

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny volamena any Ikongo

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny tany rehetra namidy sy mbola hamidy amin’ny vahiny

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny toerana tsara rehetra namidy amin’ny vahiny any Nosy be, Sainte marie

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny harena be any amin’ny îles éparses
- Miditra any anaty vilanintsika ve ny orinasa Malagasy rehetra namidy tamin’ny vahiny: socimex, btm, bfv, bni, roso, bata, telma, solima, sotema, cotona, sevima, adema, jirama

- Miditra any anaty vilanintsika ve ny sambo be sy sous marin miditra an-tsokosoko mangorona ny harena an-tanety sy an-dranomasina

Ny valiny dia TSIA!

Ka tsy ekeko ireo zavatra rehetra tsy mety voalazako teo aloha rehetra ireo. Tsy ekeko ihany koa ny kitrano an-trano amin’ny fitantanana ary ny fitantanana ny firenena tsy atao vakiraoka.

Tompokolahy sy tompokovavy, noho ireo antony ireo indrindra dia tapaka hevitra ny tenako ka nanangana ny APM na ny Antoko Politika Madio. Antoko Pôlitika tsy mitovy amin’izay rehetra efa misy sy efa nisy. Nisy fotoana efa nihoatra ny 300 mahery ny isan’ny antoko politika teto amintsika. Fa nitondra inona teto amintsika izy ireny? Mety hilaza ianareo hoe atao inona ny APM? Mbola hanampy trotraka an’ireo antoko efa tsy nahavita azy hatramin’izay. Ny APM dia miezaka ny hitondra rivotra vaovao, hitondra fijery vaovao, hitondra fanadiovana amin’ny fomba rehetra ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara.

Teboka 3 no ho velabelariko ato anatin’ny votoatin’izao kabary izao:
1- IZA MOA IZAHO IZAY MITENY ARY INONA NO ANTONY NANANGANANA NY APM

2- ANTOKO POLITIKA MANAO AHOANA izany APM izany?
3- ANTSO HO AN’NY MPIRAY TANINDRAZANA

1- IZA MOA RAKOTOARISOA FANIRY ALBAN SY ANTONY NANANGANANA NY APM

39 taona, manam-bady ary manan-janaka 2 mianadahy, manana mari-pahaizana «baccalauréat Série D», nianatra « Gestion » teny Ankatso, nianatra teny Allemand tao amin’ny CGM Analakely, manana mari-pahaizana Teny Anglisy tao amin’ny ELI, manan mari-pahaizana rehetra Teny Anglisy tao amin’ny Centre Culturel Américain (Advanced 1 Certificate,Advanced 2 Certificate, Business Class), nahazo ny mari-pahaizana fatratra avy amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy teo amin’ny sehatry ny kabary, manana mari-pahaizana Diplôme de Technicien Supérieur Bacc+2 Marketing & Commerce tao amin’ny IST Ampasapito, manana mari-pahaizana Bacc+4 Marketing & Communication tao amin’ny ISCAM Ankadifotsy, nahavita fiofanana YLTP “Youth Leadership Training Program” sy ny “Techniques de moderation” tao amin’ny Fondation Friedrich Ebert. Efa niara-niasa ary mbola miara-miasa amin’ny haino aman-jery maromaro eto Antananarivo.

Efa filohan’ny mpianatra kilasimandry zazalahy tao Ambohijatovo Avaratra 1996-1997, efa filohan'ny mpianatra IST Ampasampito 1998-1999, efa filohan'ny vaomiera mpilatsaka an-tsitrapo ONG Habitat pour l'Humanité 2001-2002, efa nanolotra ny fandaharana « Scopitone » tao amin’ny TVM, efa Talen'ny serasera sy fifandraisana dia avy eo lasa Sekretera Jeneraly Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy 2008-2012, mpitantana ny orchestre 10cré, mpilalao horonan-tsary “izy mtsam”, leader na mpitarika ny groupe gangstabab.

ANKEHITRINY

- mpikabary

- mpanentana sy mpanafana lanonana

- mpilalao sarimihetsika

- mpanakanto: mba efa nahazo karazana mari-pankasitrahana maromaro tamin’ny sehatra miankina sy tsy miankina teto Madagasikara sy tany Afrika
- mpanakanto miara-miasa amin’ny ministères maromaro eto Madagasikara: manao fanentanana manodidina ny fitaizana, fanabeazana, fahasalamana, zon’olombelona, ady amin’ny SIDA sy ny sisa

- mpanakanto miara-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny tetikasa maro: PNUD, UNICEF, FNUAP, USAID, OMS

- miasa amin’ny orinasam-pitaterana vahiny

- efa mba nahita firenena maromaro, nitsiriritra firenena matanjaka, mba nakanaka lesona, nifampizara traikefa sy kolontsaina tamin’ireo vahiny sendra tafaresaka tamin’ny tena

- ary farany: olom-pirenena tia tanindrazana, tsy manaiky ny tsindry hazo lena sy ny fanandevozana ataon’ny vahiny na koa ataon’ny malagasy

Dia ohatry ny nisy antso avy any an’efitra sady nasesiky ny fitiavan-tanindrazana ny tenako ka tsy hipetraka fotsiny mahita ny firenena Malagasy: noana, mahantra, mijaly, gisitra maneran-tany. Tsy eken’ny saiko ny mahita an’i Madagasikara firenena manankarena nefa mahantra indrindra maneran-tany. Mahantra eo ambonin’ireo harena an-kibon'ny tany, harena ambonin'ny tany, harena an'abakabaka ary harena an-dranomasina ananantsika.

Ka noho ny traikefa sy fandresen-dahatra voalanjalanja sy nosainana lalina dia hitondra anjara biriky ho an’ny firenena ny tenako. Ka dia hamafisiko ny fanambarana nataoko ny alahadin’ny Paska 5 avril 2015 tao amin’ny Radio RDJ, nohamafisiko tao amin’ny Pazzapa tao amin’ny Dream’in ny 5 septembre 2015 ary mbola nohamafisiko tao anaty don-dresaka tamin’ny TV PLUS ny 13 septembre 2015: nambarako tamin’izany fotoana izany fa hanangana antoko pôlitika ny tenako. Ka 8 volana taorinan’ny fanambarana voalohany, izany hoe ny 1 desambra 2015, rehefa fenonay ny antontan-taratasy nilaina rehetra, dia navoakan’ny ministeran’ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana ny arrêté laharana faha 35234 milaza fa mitsangana amin’ny fomba ara-dalàna ny APM na ny ANTOKO POLITIKA MADIO.

Tsy hijanona ho mpanakiana fotsiny intsony aho tahaka ny any anaty tononkira fa ny anjara biriky ho entiko dia manolo-tena aho ho fitaovana, hiezaka hanarina ny tsy mety eto amin’ny firenena araka izay tratry ny heriko sy ny tanjako ary ny fotoanako.

APM: ANTOKO POLITIKA MANAO AHOANA?

- Tsy amin’ny anaran’ny tenako irery intsony ny miteny manomboka eto fa amin’ny anaran’ny APM: izany hoe miaraka amin’ireo birao sy ireo mpikambana efa nisoratra anarana
- Ny APM dia antoko miezaka ny hanova ny fomba fanaovana politika izay hita fa maloto, maimbo ary masiso eto amintsika

- Amin’izao fiantombohany izao dia aro fanina (balise) sy ody fanaintainana ny APM. Hita taratra izany amin’ny fahasahiany miteny izay tsy mety sy ny fahasahiany milaza ny marina

- Tsy misy fampandrosoana azo atao nefa raha tsy manana fahefana satria ny vola aman-karena anananao tsy ahavitanao manao asa soa hamelomana ny 92% n’ny malagasy mahantra, noana, tsy manan-kialofana, tsy manana rano fisotro madio, tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Amin’izao fiantombohany izao dia mbola tsy afaka manao asa soa ny APM satria ny valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza. Amin’izao fiantombohany izao ihany koa dia tsy mieritreritra ny haka fahefana ny APM
- Fomba fitantanana ato anatin’ny antoko: fitaratra ho an’ny ato anatiny sy ho an’ny any ivelany. Mila mampiseho fa manaraka discipline amin’ny sehatra rehetra, mampahatsiahy fa tokony arahana ny lalàna sy ny discipline manomboka any amin’ny filoham-pirenena, ireo tompon’andraiki-pahefana isan-tsokajiny hatrany amin’ny isam-batan’olona.
- Na eo aza izany rehetra izany dia tsy mahay faminaniana, tsy mahay fahagagana, tsy mpanao magie ary tsy mpanao miracle ny APM ka hanova zavatra ao anatin’ny fotoana fohy

TENY FILAMATRA

« Firenena fa tsy seza »

Ka ireo izay vonona ny hiara-dia aminay dia izao: tahaka an’ireo efa mpikambana ato anatin’ny APM dia vao miomana ary vao manomana isika amin’ny fanaovana pôlitika ka dia mifampitaiza ao anatin’izany fiomanana izany.

TARIGETRA VITSIVITSY

- Ny “Antoko Politika Madio”, araka izany anarany izany dia: madio, mazava saina, mangarahara, mahitsy, miaro ny rariny sy ny hitsiny, mitazona ny teny nomena, tsy mivadi-belirano, tsy tiatia kely, tsy mangalatra ny fananana tsy an’ny tena, tsy mamela ho tantely afa-drakotra ary tsy manao varo-boba ny harem-pirenena.
- Ny “Antoko Politika Madio” dia mikatsaka hatrany ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy ka tsy manaiky lembenana fa hiady amin’nyireo fanararaotana ataon’ny vahiny sy ny orinasa vahiny. Vonona hitaky ny tany sy harena rehetra lasan’ny vahiny na dia ady sarotra aza izany. Ka eto izahay dia mitodika amin’ireo vahiny manjakazaka eto aminay. Aoka izay ny fanandevozana sy ny fanararaotana ataonareo vahiny aminay Malagasy sy ny firenenay. Atsaharo amin’izay ny fangoronana ny taninay sy ny harenanay izay tsy ahazahoanay tombony akory na dia kely aza. Tsy miditra any anaty vilanin’ny vahoaka fa manabontsina fotsiny ny any am-paosin’ny mpitondra miray petsapetsa aminareo.

- Ny APM dia tsy mbola nisolelaka, tsy misolelaka ary tsy hisolelaka amin’ny vahiny sy ny firenena matanjaka. Tsy ny firenena matanjaka no halako, halanay, halan’ny APM fa ny fanjakazakana ataony. Ny “Antoko Pôlitika Madio” dia hanafoana tanteraka ny farasisam-panjanahana misy eto amin’ny firenena. Ary izaho RAKOTOARISOA Faniry Alban filoha mpanorina ny APM dia tsy voavidy vola hamadihana an’izany tarigetran’ny antoko izany. Aleonay mahantra sy dondrona fa izahay aza zanahana intsony!

FIREHAN-KEVITRA (IDEOLOGIE)

Efa nandalo teto ny communisme, ny socialisme, ny libéral, ny social démocrate. Ny fanontaniana dia hoe: nahasoa antsika ve izany ary nitondra inona ho an’ny firenena ?
Ka ny APM dia tsy socialiste, tsy liberal fa centriste izany hoe: tsy antoko mpanohana, tsy antoko mpanohitra fa antoko manohitra an’izay tsy nahavita azy sy izay tsy mahavita azy. Ny APM izany dia manakaikikaiky kokoa ny nationale sociale. Mitsikera ny tsy mety ary manakiana am-pahendrena, mitady vahaolana sy mitondra torohevitra ho amin’ny fanatsarana.

Tao anatin’izany rehetra izany no nipoiran’ny fitiavan-tanindrazana izay efa nambarako any anatin’ny tononkirako. Dia tonga ilay antso avy any an’efitra ka tsy nolaviko. Tsy tokony ho tongatonga ho azy ny fitantanana ny firenena fa mila fiomanana:
- Saingy hatramin’izay ka hatramin’izao: ny pôlitika ho an’ny 99% n’ny mpanao pôlitika nisy hatramin’izay dia fitiavan-tena, fitiavam-bola, fitiavan-karena, fitiavana voninahitra, fanamboniana tena, tsindry, fanararaotana fahefana, karama be an-tapitrisany, avantages, 4*4 am-polony maro, cheque carburant avadika vola, indemnités isaky ny mivory, risoriso sy kolikoly amin’ny sehatra rehetra, fitsangatsanganana handaniana vola be any ampitan-dranomasina miaraka amin’ny delegasiona: namana sy fianakaviana, bizina manginy fotsiny miampy ny bizina avo lenta amin’ny vahiny: vazaha, sinoa, karana. Ny pôlitika ho azy ireo dia seza, voninahitra, herisetra rehefa mandeha eny amin’ny arabe: garde-corps, mpitandro filaminana, sifflet, girophare. Ny vahoaka mihafihafy maka sisiny dia mitazana fotsiny
- Rehefa propagande dia misy candidat mpanefoefo tsy nahalala nanampy ny mpiara-belona taminy hatramin’izay niainany kanefa tampoka teo dia lasa messie, manolotra fanomezana etsy sy eroa, lasa mahay mitaiza zaza kamboty, lasa mizara fitaovana ho an'ny mpanao fanatanjahantena, lasa mahay miaraka misakafo amin’ny sembana sy ny be antitra ary ny zokiolona, mahay mifaninana eny ambany tanàna rehefa misy ny tombontsoa andrandraina, mody manadio canal sy mandroaka fako eny amin’ny bas quartier, mody manambitamby ny mahantra ary lasa mahay mitrotro 4-mi

Fa ho ahy manokana sy ho an’ny APM, ho an’ireto namana mpikambana ao anaty birao hitanareo ary mbola hiresaka aminareo rehefa avy eo dia:

- tsy izany no atao hoe pôlitika. Ny pôlitika tsy natao hangoronana harena
- tsy namanay ireo rehetra voatonona teo aloha rehetra ireo

- izahay tsy hangalatra, tsy hanodina volam-bahoaka fa hampanjaka ny fahamarinana, hiasa amin’ny fo, tsy mitady tombontsoa satria aminay ny pôlitika dia tsy asa ka natao hitadiavam-bola, ny pôlitika tsy natao hamelomana vady aman-janaka, ny pôlitika dia natao hanompoana ny vahoaka ary indrindra indrindra ny vahoaka mahantra sy ny vahoaka sahirana

- Miara-miasa amin’ny Ray aman-dReny, miara-miasa amin’ny zokiolona, miara-miasa amin’ny be antitra ny APM saingy tsy mila dinosaures pôlitika. Inona no atao hoe dinausaures? Ireo mpamadibadika palitao sy goaika antitra ara-politika: afak’omaly PISODIA, omaly AREMA, androany TIM, rahampitso TGV, rafak’ampitso: HVM…

FITSIPI-PITONDRANA NA DISCIPLINE

Mafy sy hentitra ny fifampifehezana na ny discipline tokony hananantsika tsirairay avy raha tiana handroso ny firenena. Atombokay ato anatin’ny APM izany ka anisan’izany ireto fitsipika vitsivitsy ho tanisaina aminao:
- Afaka 5 taona izany hoe alohan’ny taona 2021 dia hisy ny fifidianana ho mpikambana ato anatin’ny birao APM. Dieny izao dia miomana ireo izay vonona ny hiditra ho membres de bureau

- Ato anatin’ny 5 taona voalohany, mba hafahan’ny antoko miaina sy mivelona dia tapaka fa 2000 Ar isam-bolana ny latsakemboka ho an’ny mpikambana tsotra sy mpikambana raikitra ary 5000 Ar isam-bolana kosa ho an’ny membres de bureau

- Mandalo fizahan-toetra herintaona ny mpikambana tsotra ary raha mahafa-po izay fizahan-toetra izay dia raisina ho mpikambana raikitra izy

- Esorina avy hatrany tsy misy hatak’andro tsy ho mpikambana ireo rehetra mampiseho toetra tsy mendrika mety hanimba endrika ny APM any ivelany. Esorina avy hatrany tsy misy hatak’andro ihany koa ireo rehetra minia mivoana amin’ny fitsipika anaty sy amin’ireo tarigetra rehetra voalaza teo aloha: madio, marina, mazava saina, mangarahara, mahitsy, miaro ny rariny sy ny hitsiny

- Mandalo sivana henjana amin’ireo birao mpanatanteraka ary indrindra indrindra aty amin’ny filoha mpanorina ireo mieritreritra ny hirotsaka amin’ny fifidianana amin’ny anaran’ny APM

ANTSO

1- Miantso anareo rehetra tsy an-kanavaka, resy lahatra mitovy aminay, na lahy na vavy, na zoky na zandry na Ray aman-dreny, indrindra indrindra ny tanora satria mila firaisankina ny fiomanana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa efa lalina loatra ny aretina sy ny fahantrana ka sarotra ho an’ireo rehetra tsy niomana ny hahita vahaolana mahomby ialana amin’izany

2- Miantso anareo rehetra tsy an-kanavaka, resy lahatra mitovy aminay any amin’ny faritany mba handinika sy hanendry izay hitantana ny Antoko Pôlitika Madio any amin’ny faritra rehetra any. Raha misy olona koa eto Antananarivo afaka manolotra olona aty amin’ny Birao Foibe hitantana ny APM any amin’ny faritany dia dinihina miaraka

3- Miantso ireo manam-pahaizana rehetra na eto an-toerana na any ivelany. Ilaintsika, ilain’ny firenena ny fahaiza-manao anareo ireny. Ka raha misy fitiavan-tanindrazana na dia kely aza any aminao dia tongava miara-dia aminay, ho an’ny tanindrazana mila vonjy

4- Miantso ihany koa ny haino aman-jery tsy an-kanavaka mba ho sahy ary tsy ho menatra hilaza sy hampita ny zavatra madio sy marina: na haino aman-jery miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Mitodika manokana amin’ny RNM sy TVM. Sokafy amin’ny’zay ny masom-panahinareo. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy misy fiovana ny fomba fiasanareo amin’ny ankapobeny raha resaka pôlitika no resahana. Mizaka ny teny midina sy ny tsindry avy any amin’ny fitondram-panjakana misy. Mitodika manokana amin’ny fitondram-panjakana nifandimby rehetra teto sy ny amin’izao fotoana izao: mba omeo sehatra amin’izay ny antoko hafa ao anatin’izany haino aman-jerim-panjakana izany

5- Misokatra ho anao ny varavaran’ny “Antoko Pôlitika Madio”: na vondron’olona, na fikambanana, na antoko politika hafa fa ny fitsipika mifehy ny APM no mifehy antsika manomboka eo. Miantso anareo rehetra ireo hiara-dia aminay. Tsy tahaka ny ranon’ikopa izahay ka tonga namana vao mavomavo.

6- Mitsangana ara-dalàna ny APM ankehitriny. Hatreto dia niezaka izahay tamin’ny ho enti-manana izay nanananay nananganana an’izao antoko izao. An-tsitrapo fa tsy noterena ireto mpikambana hitanareo ireto. Ary eto dia isaorako manokana ny membres de bureau, ny Ray mpiahy ny antoko: Andriamatoa RASAMOELINA Jean Maurice Paul sy ireo rehetra nanampy tamin’ny fananganana azy: na mivantana na an-kolaka nahatratrana izao tanjona voalohany izao. Tsy nangataka fanampiana na avy aiza na avy aiza. Tsy nila karama na tambiny fa an-tsitrapo avokoa. Ankehitriny kosa dia miantso an’ireo malala-tànana izahay, miantso an’ireo izay vonona ny hifanome tànana an-kitsi-po aminay: na ara-bola na ara-pitaovana ho fanavotana ny firenena iombonana.

7- Isan’ny tanjon’ny antoko ny mba hanana radio sy télé ahafahana mifanerasera amin’ny mpiara-belona. Mbola sarotra nefa izany satria tsy misy ny hoenti-manana. Na ny trano ho atao siege social aza mbola tsy misy.

8- Adresse mail: antokopolitikamadio@gmail.com

9- Mitohy mandritry ny tontolo andro ny dinidinika ambany tafotrano iarahana amin’ny’ireo vice-présidents enina.

FARANY
Tompokolahy sy Tompokovavy! 189 amin’izao fotoana izao ny isan’ny Antoko Pôlitika eto Madagasikara. Dia izao miampy iray indray. Firenena mahantra kanefa be antoko pôlitika indrindra maneran-tany. Mety hiteny ianareo hoe mahay mampiesona daholo izay rehetra mahazo micro. Mety hiteny ihany koa ianareo hoe film efa nandeha ary efa niteny an’izany daholo izay rehetra nandalo teo. Kanefa hoy aho hoe: “ny toky fitaka fa ny atao no hita”.
Hamafisiko etoana ary fa vao miomana ny hanao pôlitika ny tenako sy ireto mpikambana ato anatin’ny birao ary ny mpikambana ato anatin’ny antoko sy ireo izay mbola hanatevin-daharana. Tsy hanongam-panjakana isika ary izahay hatreto dia tsy mbola mieritreritra hitarika olona hidina an-dàlam-be.

Tompokolahy sy Tompokovavy, ny mason’andro anio, androany faha 16 janoary 2016 dia ambarako amin’ny fomba ofisialy fa mitsangana ara-dalàna ny APM na ny ANTOKO POLITIKA MADIO.

Ambarako ihany koa ho ren-tany ho ren-danitra fa miomana ny handray fahefana ny tenako. Ka raha sitraky ny APM ary raha sitraky ny vahoaka Malagasy dia izaho RAKOTOARISOA Faniry Alban dia hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fotoana mahamety azy.
Ho ela velona anie Madagasikara !

Masina ny Tanindrazana

Rakotoarisoa Faniry Alban

Filoha mpanorina ny antoko politika APM

Antanimena, Asabotsy 19 Septambra 2015

Voir les commentaires

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Antananarivo. 7 février 2009. DEVOIR DE MEMOIRE 2016

VIDEO AVEC SOUS-TITRES EN FRANCAIS

Voir les commentaires

Publié le par Jeannot Ramambazafy
HERY RAJAONARIMAMPIANINA. AOKA IZAY FA NY MARINA TSY HO FATY NA OVIANA NA OVIANA

COMMENT CE CANDIDAT DE DERNIERE MINUTE A TROMPE SON MONDE

TALOHAN'NY PRAOPAGANDY ITY, TAO ANATIN'NY BIRAO NAHA MINISITRY NY VOLA AZY NANDRITRA NY EFA-TAONA BE IZAO: MPITOLONA, HONO, IZY:

Ny marina iray ary tokana ihany ary tsy mety maty mandrakizay. Ny Tantara, Tompoko, tsy azo ovana, n’inona n’inona filaza, n’inona n’inona atao dia mitoetra ho an’ny taranaka hangalan’izy ireo lesona. Hatreto aloha (Febroary 2016) dia ny mpitondra mihitsy ny minia tsy te-hahalala satria mihevitra ho eo am-pelatànany mandrikaizay io fahefana nampindramin’ny vahoaka azy io. Lasa manadino ny tranga rehetra izay niseho, ny fampanantenana nataony ary ny resaka ambony vavahady fotsiny izao. Mahay mitsara tena, manala tena, miala andraikitra sy manome tsiny ny hafa lava izao. Tsy izany no atao hoe Filoha voafidim-bahoaka, Tompoko!

Ity dosie ity ary dia fampahatsiahivana ireo teny nataon’Ingahy Hery Rajaonarimampianina, nanomboka izy kandida mpisolo-toerana hatramin’ity voalohan’ny taona 2016 ity. N’iza n’iza hanao be filaza hiaro azy dia tsy azo ovana ireo, tsy noforonina ireo fa dia Tantara mipetraka. Ireo no hitoetra mandrakizay ka hanaporofoana fa mpanao ronono an-tavy ity filoha ity ary mampiady ny samy Malagasy. Mitsangana izay mbola sahy misehoseho eny amin’ny aino aman-jery ka hiteny fa mpandainga i Jeannot Ramambazafy. Efa mitsara izao io Tantara io. Ka raha te-ho olona mpanakarena indrindra ao am-pasana ianareo (« les hommes les plus riches du cimetière »), anareo ny anareo.

Ho anareo tanora ankehitriny, ireo rankizy ny zavatra lehibe tsara haverimberina henoina sy jerena, izay noteneniny nanomboka ny taona 2013. Adidy sy andraikitra noraisiko satria mampahonena loatra ity Tanindrazana-tsika ity, rehefa tsapa fa ay marina fa Malagasy toa azy ihany no tena fahavalon’ny Malagasy. Voarakitra ato daholo ny fampanantenana poak’aty sy ny famitaham-bahoaka. Tsara noho boky izy ity. Hianaranareo ireo rehefa any ambany rangolahy ny tenako. Fa ny asako kosa hijanona eto an-tany ary mino aho fa hisy hanohy. Amin’ny taonako izao (62 taona), ny olombelona dia tsy matahotra izany fahafatesana izany. Fa asa raha handry am-piadanana manoloana ny zava-misy izay toa mbola hitohy. Mety hanangatra ihany aho… Misaotra indrindra ary tadidio fa masina ity Tanindrazana iainan-tsika sy ilevenan’ny ankamaroan-tsika ity. Tsy hisy vazaha na iray aza hiatrika izany fa aza mbola diso fanantenana amin’izany.

Jeannot Ramambazafy – 3 Febroary 2016

MBOLA MITOHY NY DELESTAGES LASA COUPURES AMIN'IZAO TAONA 2016 IZAO

TSY MISY RESAKA AVY ANY AMINY INTSONY IREO NOSY MALAGASY NILAZANY FA HIADIVANY MAFY NY HIVERENANY HO AN'I MADAGASIKARA

NATAONY DAHOLO NY FIHETSIKA REHETRA FAMBABONA NY FON'NY OLONA TANY ANINDRANA...

NANAO FIANIANANA FA HITANDRINA NY LALAMPANORENANA TOA NY ANAKANDRIAMASO. FA MBA AVY AIZA MOA RY KOKO ROGER SY JEAN RAVELONARIVO? TSY AVY AMINA ANTOKO POLITIKA MIHITSY ALOHA E!

HERY RAJAONARIMAMPIANINA, RISEE MONDIALE

Ajoutée le 16 févr. 2014

Décidément, il y a quelque chose qui cloche dans le royaume de l'imitation et de la personnalisation de l'accession au pouvoir... Regardez et écoutez bien la vidéo ci-dessus. Vous allez découvrir la véritable personnalité d'un président par accident. C'est en malgache ? Ben, ci-après le texte transcrit fidèlement et sa traduction en français. C'était bien avant le début de la campagne électorale du premier tour de la présidentielle d'octobre 2013.
« Tsy maintsy manao « rupture » aho, « mais dans la continuité ». Izay ny nolazaiko taminy (Ttf: Ny Filoha Rajoelina io). Izay zavatra rehetra mety nanahirana tamin'ny fisianao, ny andronao, ny andron-tsika, dia tsy maintsy tapahiko izany zavatra izany ! Izaho tsy olon'antoko, izay ny « force »-ko, Andriamatoa Prezidà, hoy aho. Tsy olon'antoko fa teknisianina no nahalalan'ny olona ahy, dia aleo aho hijoro amin'izay. Aza ampisaloranareo rehetra ny akanjonareo aho. Aza ampisaloranareo ny akanjon'ny Tgv, Aza ampisaloranareo ny akanjon'i Rakoto na io Rabe, na « parti » etsy, na « mouvance » etsy aho. Fa izaho izao no ilay mora hamidy...
Ny voalohany, tsy ny olona ; ny voalohany, tsy ny vola; ny voalohany, tsy ny "organisation" fa ny "COMMUNICATION".

TRADUCTION LIBRE
Je dois effectuer une rupture mais dans la continuité. C'est ce que je lui ai dit (au Président de la Transition, Andry Rajoelina). Tout ce qui a posé problème durant votre présence, durant votre direction, notre direction [à la tête de la transition], je dois en faire table rase ! Je ne suis pas un homme de parti, c'est ce qui constitue ma force, lui ai-je dit. Je ne suis pas un homme de parti mais les gens me connaissent en tant que technicien et je préfère m'engager comme tel. Vous tous, ne cherchez pas à me draper vos habits ; ne cherchez pas à me draper des habits du Tgv ; ne cherchez pas à me draper des habits de Rakoto ou de Rabe (Ndlr : nom aussi usuels que Dupont à Madagascar) ou d'un parti ou d'une mouvance. Car je me considère comme celui est facilement vendable...
[En matière de campagne électorale], l'important ce ne sont pas les ressources humaines ; l'important ce n'est pas l'argent ; l'important ce n'est pas l'argent mais c'est la COMMUNICATION.
Mais qu'en est-il dans la réalité ?

Le nouveau président de Madagascar, au micro de la Deutsche Welle, parle de lutte contre la corruption, de liberté d'expression et de la différence avec la période de Transition.

4X4 AVY ANY AMIN'I SAM PA, ILAY SINOA NOGADRAIN'NY FITONDRA SINOA SATRIA MANAO KOLIKOLY MAHATSIRAVINA AMIN'IREO MPITONDRA AFRIKANA SASANY

L'ETAT DE DROIT SELON HERY RAJAONARIMAMPIANINA: NON PAS UN PRINCIPE UNIVERSEL MAIS UN ENSEMBLE DE STRUCTURES...

Lors de l’émission « Envoyé Spécial » de France 2, diffusé le jeudi 30 avril 2015, le Président Rajaonarimampianina, a été à l’honneur des Rois du Plagiat. Commentaires des deux animatrices : le Président Hery Rajaonarimampianina n’a pas hésité à reprendre mot pout mot un des discours de Nicolas Sarkozy.

Hery Rajaonarimampianina: nanompa an-kitsirano ny vahoaka nifidy azy

Dia tena lasa misamboavoana tokoa ny fomba fijerin'ilay kandida laharana faha-3 rehefa injay lany Filoham-pirenena izy, ka na ny mikasika ny tranga rehetra nandritra ny fampielezan-kevitra ("campagne électorale") faharoa dia sahy nilaza izy fa izy no tena "rôle" ka ny fisiany mihitsy, hono, no nahatonga ireo solombavambahoaka Mapar ho voafidy tany amin'ireo faritra nandalovany. Ny zanak'olombelona, indrindra fa ny mpanao politika Malagasy, mora manadino.

Fa ny soratra dia mitoetra.
Ka ireto manaraka ireto ny valin-teny nataon'ilay Filoha "voafidim-bahoaka" tao amin'ny fandaharana "L'invité du zoma", tamin'ny 9 May 2014. Valin-teny azo raisina ho ompa mihitsy ho an'ny vahoaka nifidy azy. Ary dia ho hita eo tokoa ny tohin'ny raharaha satria mahatoky tena tanteraka ingahy Hery Rajaonarimampianina fa nety ary mety daholo izay nataony rehetra hatreto, "ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka". Na ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenena nanaovany fianianana fa ho hajainy toa ny anakandriamasony aza dia tsy nisy aminy, fa tena "ara-dalàna" daholo ny nataony. Asa raha fantany tsara tokoa va re ny vahoaka Malagasy. Ampahan'ilay fandaharana io ao amin'io video ambony io, fa ampy amin'ny fitsarana ny toetra anànan'ilay Filoha tokony tsy ho Filoha...
" Ny Mapar, tadidio koa, fa nanohana ahy, ary izaho nanohana azy. Aza adino fa tamin'ireo toerana nalehako niaraka tamin'ny Mapar -nisy enina ny renivoham-paritany nalehako- dia ny kandidan'ny Mapar lany daholo. Ny anankiroa aza, ny sasany, lany ".


Onitiana Realy: Ianao no nandany ny Mapar sa ny Mapar ny nandany anao ?
" Tsy niteny an'izany aho (in-droa), hoe izaho na izy. Tsy hitsara an'izay aho, fa izaho anie nanao fanadiadiana ara-teknika mahakasika izany. Sahy milaza kosa aho fa teo amin'izay nijoroako dia nampandresy ny kandidan'ny Mapar aho. N'inona n'inona ny zavatra miseho. Ka raha miteny isika androany hoe iza no manohana an'iza, dia hoy aho hoe: rariny raha misy Mapar izay mijoro ho nanohana ahy. Satria izaho no notahanany tamin'izany fotoana izany. Ny vondrona nanohana niaraka tamin'ny Prezidà Andry Rajoelina; fa ny notohanany dia Hery Rajaonarimampianina. Hery Rajaonarimampianina no eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao, rariny loatra raha manohana an'i Hery Rajaoanarimampianina izy (Ttf : tsy ireo fa ry Maharante Jean de Dieu sy Johanita Ndahimananjary lasa minisitra ao amin'ny governemantan'i Kolo Roger). Izaho tsy manakana azy tsy hanohana an'ny Prezidà Rajoelina fa, amin'izao fotoana izao aloha, dia izay ny foto-kevitra niarahana. Nifampidinihina ange izany, tamin'izany fotoana izany e ! Eny an-dalàna eny moa miova ny zavatra samihafa, fa dia hoy aho hoe: tsy manome tsiny an'ireo olona ireo mihitsy aho, satria ny fanekena tamin'izany fotoana izany dia ny hifanohana ary amin'izao fotoana izao dia misaotra an-dry zareo aho, mazava ho azy ".

Ny tohiny moa dia ao anatin'ilay video ery ambony. Fa samia isika mianakavy mandini-tena eo anatrehan'ireo fanambarana rehetra ireo. Iray sy tokana ihany ny marina ary tsy ho faty na oviana na oviana. Hoy izy namarana ny teniny: "Mbola manana finoana aho f'efa tafa-petraka ny fototra, afaka miasa amin'izay amin'izao fotoana izao".
Dia ho hita eo izany ny ho tohin'ny tantara (izay tsy fanadino). Marihina fa nalefa tao aminy Tvm koa io fandaharana io ary tsy mivantana akory f'efa nomanina avy teny Iavoloha.
Jeannot Ramambazafy -10 May 2014

Jereo tsara mihitsy ny fihetsik'ilay filoha voafidy rehefa nanontanian'i Michel Ralibera fa mety misy ve ny "république des malettes". Ny lohany sy ny molony no ahafantarana fa olona mpandainga izy. Dia diniho amin'izay ny zava-misy taorian'io...

Fanontaniana tsotra no napetraka taminy :

“Herintaona androany no nandraisanao ny fitondram-panjakana, nanaovanao fianianana teo anivon’ny vahoaka. Azo lazaina ihany fa fotoan’ny bilan ihany izao. Négatif sa positif ny bilan-nao Andriamatoa Filoha?”

Izao ny valiny, amina fihetsika toa manamaivana sy madantsa mihitsy aza, toa olona nahazo toerana avo dia avo ka lasa misamboavoana be ihany :

“ Izaho tsy ilaza hoe 20/20. Fa hoy aho hoe: nanao isika, niezaka isika. Maso samihafa, angamba, sofina samihafa, angamba, nijerena sy nandrenesana ny zava-misy an, fa hoy aho kosa hoe: androso isika. Nandroso isika eo amin’ny zavatra izay natao. Eo amin’ny lafin’ny lalàna izay napetraka tamin’ny taona 2014 iny; eo amin’ny lafin’ireo azo lazaina hoe fanasaziana maro samihafa teo amin’i Madagasikara. Teo ny AGOA, teo ny MIGA, iza no tonga teto ny mpamatsy vola ? Nihena be, izao miverina izany zavatra rehetra rehetra izany. Hiteraka asa izany zavatra rehetra rehetra izany. Dia ho négatif kosa ve izany ? Izaho mba niantso anareo mpanao gazety hoe: mba jereo ihany koa ny asa izay vita, mandehana mitety an’ity Madagasikara ity ! Mandehana any Andapa mijery izay fotodrafitr’asa izay vita any; mandehana mankany Morombe mijery izay asa atao any; ny any Toliara, ny làlana izay atao any; fotodrafitr’asa izay atao eo amin’ny lafin’ny fambolena! Be dia be ny zavatra ho tokony jerena.

Izaho tsy miteny hoe dia nety araka ny nieritreretana azy daholo ilay izy, na tamin’ny fotoana tokony nanaovana azy daholo ilay izy. Fa hoy aho hoe: fampandrosoana ny firenena, ny rehetra no miaraka manao ilay izy. Ilay olona no miteny an’ireny (Ndlr: ny zava-misy marina toa ny délestages, tsy fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny saran’ny fitaterana, sns), mba anontanio azy koa: ny bilan-ko sy ny anao amin’ny maha-olom-pirenena aho: mba nanao ahoana amin’izay finiavako hampandroso ilay fireneko, amin’izay fitiavana ilay tanindrazako, amin’ilay fitsinjovako ilay fihavanam-pirenena… Manao ahoana ? Tokony mba mandini-tena ny rehetra eo anatrehan’izay ”.

TSY MISY IZANY KI-TRANO AN-TRANO IZANY, HONO E!

L'EAU A MONTE ! Voilà le scoop du siècle émanant du président élu du peuple, Hery Rajaonarimampianina, à la vu des inondations qui ravagent les environs immédiats de la ville d'Antananarivo, ce 27 février 2015.

Tsy avy tao amin'ny "Trésor", tsy avy tao amin'ny "Banque centrale". Ka avy aiza marina ny vola nividianana ireo ART 72-600 ireo r'ingahy Rajaonarimampianina ô !? Zon'ny vahoka malagasy ny mahalala izany. Ny vahoaka no tena "patron" fa tsy ianao izay hiserana ihany. Aoka hazava tsara izany ary tsy ho eo mandra-maty akory ianao sy ny forongonao. Toa lasa mandatsa ny vahoaka mantsy ianao izany.

Iavoloha, 19 juin 2015. Malgré la recevabilité de la requête des députés, par la HCC, Hery Rajaonarimampianina ose se justifier en affabulant comme un enfant devant les bailleurs de fonds et les partenaires techniques et financiers étrangers et malgaches. Quelle honte pour ce comptable, incompétent dans la gestion des affaires de l’Etat malgache!

MANGA ! hoy ingahy Hery Rajaonarimampianina misy "ressorts". Ny teo aloha ihany izany no miverina: mino fotsiny ihany... fa manga ny lokon'ny finoana ! Tena sao dia ianao Andriamatoa no ho mangana atsy ho atsy ?

LE PRESIDENT MALGACHE PARLE POUR NE RIEN DIRE! DE LA PHRASEOLOGIE SANS OBJECTIF PRECIS ET MENDICITE PERPETUELLE.

Miverina amin’ny tany gasy izany : tsy ilaina ny sonia, tsy ilaina izany Lalampanorenana izany ?!

Voir les commentaires

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Loholona Lylison de René: «Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy»

Voafidy ara-dalàna tany Mahajanga ho Loholon’i Madagasikara ny Kolonely Lylison de René izay tsy voafehin’ny fitsipi-pifehezana miaramila intsony. Kanefa amin’izay maha-miaramila azy izay indrindra dia voatazony hatrany ireto: «Patrotisme; sens de la discipline et de l’auto-discipline; sens de l’honneur et de la parole donnée ; sens de l’autorité, sens du devoir». Tsy izy mihitsy akory izany no hamadika ny Tanindrazana, araky ny teny baiko (« ordre ») hoe : MASINA NY TANINDRAZANA.

Loholona Lylison de René: «Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy»

Ny 31 Jolay 2016 teo ary dia nanao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety izy ary nahitsy ny teniny. Nataoko adidy eo anatrehan’ny Tantara ny namadika io valan-dresaka io an-tsoratra satria ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ny marina iray sy tokana. Mino aho fa ho avy ny rediredy isan-kazarany. Fa ny marina mitoetra mandrakizay ary ny lainga afafy dia hiverina amin’izay nanao azy ihany. Ny ho ela na ho aingana. Mbola hadikako teny frantsay koa io fa mila fotoana kely

Jeannot Ramambazafy – 2 Febroary 2016

« Ia. Nampiantso anareo mpanao gazety moa ny tenako satria niova andraikitra. Ny dikan’izay: misy adidy vaovao, amina fomba fiasa vaovao no ho tanterahina. Nahafantarana ny tenako hatramin’izay moa tato amin’ny foloalindahy. Maro izany ireo nametra-panontaniana hoe: maninona moa Kolonely no hiditra kandida senatora? Ny antony dia tsotra: ny fandraisana andraikitra no nahatonga ahy hiditra senatora. Satria ny asa fandraisana andraikitra ho an’ny tanindrazana, tsy voatery ho ao amin’ny foloalindahy no afahana manatanteraka azy. Na mpamafa làlana ianao, na inona ny asanao, rehefa mitondra voka-tsoa ho an’ny mpiray tanindrazana aminao, dia adidy fandraisana andraikitra ho an’ny tanindrazana daholo izay rehetra rehetra izay.

Betsaka ny asa vitako tao amin’ny folohalindahy ary tsy azo kosahina eo amin’ny Tantaran’i Madagasikara ny asa fampandrian-tany sy ny fampandriam-pahalemana izay notanterahiko. Nefa misy sakana kely mbola tsy afahako mamita izay adidy ho an’ny tanindrazana izay. Satria, na mahita zavatra tsy izao ianao ato amin’ny foloalindahy, dia tsy afaka miteny noho ilay hoe « discipline militaire ». Tsy maha-ratsy izay anefa fa ny maha-ratsy kely azy fotsiny: raha ny lehibe mahita zavatra tsy mety nefa tsy mandray andraikitra dia lasa « complices » daholo ny « subordonnés » rehetra. Ka manoloana ny zava-misy izay ho resahiko rehefa avy eo, tsy te-ho « complice » aminy tsy fandehanan-javatra izay mitranga amin’izao fotoana izao ny tenako.

Izay aloha izany no nahatonga ahy hiova toerana ary tsy nanaonao foana fa nisafidy ny làlana ara-dalàna. Nirotsaka ho kandida ny tenako? Nahazo « autorisation » ara-dalàna, aoka hazava izay resaka izay. Nilatsaka ho fidiana aho; lany soa aman-tsara tany amin’ny faritan’i Majunga. « Légal » izany izao ny « place » misy ahy, ary efa « en position de disponibilité » ny tenako amin’izao fotoana izao satria efa vita sonian’ny tompon’andraikitra ny « disponibilité »-ko. Izany hoe, efa tsy voafatotry ny « discipline militaire » ny tenako amin’izao fotana izao, fa manatanteraka ny « mandat » maha senatora ahy ny tenako. Eto izany dia miova tanteraka ny fomba izay andraisako andraikitra amin’ny tanindrazana. Ary ny hahafantaran’ny olona ahy rehefa manao « mission » dia tsy maintsy tanteraka hatrany amin’ny farany. Tsy mba nisy « mission » izay nampanaovana ahy ka tsy vitako. Na ny tsy vitana olona no nampanaovina ahy dia tanterako. Ka amin’ity « mandat » maha senatora ahy ity, hisy adidy lehibe nankinina amiko dia ho tanterahiko izay.

Nisy fifidianana. Somary resahiko kely ny fifidianana. Efa nisy « résultats » efa navoakan’ny HCC fa ny fifidiana dia iombako mitovy hevitra aminay rehetra izay nilatsaka, fa tsy fifidianana ny zava-nisy tany fa fanararaotam-pahefana; fampiharana fitaovam-panjakana sy ny teritery rehetra izay azo notanterahina dia notanterahina. Ny tompon’andraikitra izay afaka manao praopagandy dia efa voalazan’ny lalàna. Ny minisitra ekeko, ny « chefs de région » ekeko satria voalazan’ny lalàna. Fa voalazan’ny lalàna kosa fa tsy mahazo manao praopagandy ny « préfets », ny « chefs de district », ny « adjoints de district », ny « délégués ». Izany hoe: ireny voalaza fa solontenam-panjakana dia tena nanao praopagandy ary tena nanao teritery faran’izay enjana; « menaces » faran’izay enjana, ka nahatonga ny voka-pifidianana nandeha amin’ny tokony tsy izy. Tsy tena vokatry ny safidin’olona ireny nivoaka ireny.

Fa raha ny tena safidin’olona no navela malalaka, tsy ohatra ireny ny « résultats » ka amiko mbola diso tanteraka ireny « résultats » ireny fa tokony hiova. Iza no tompon’andraikitra? Aleho tsoriko eto: ny mpifehy ireo « personnels » tsy mahazo manao praopagandy ireo dia ny « ministre-ny Intérieur », Mahafaly Olivier. Amin’ny olona any ambanivohitra, any amin’ny « communes », any amin’ny « districts », any amin’ny « régions », any amin’ny faritany any dia tsy misy mahatoky izany « districts », « préfets », « délégués » izay mipetraka amin’izao fotoana izao. Izany hoe noho ny avy amin’ny « ministre-ny Intérieur » dia mirefarefa amin’ny tany tanteraka ny solontenam-panjakana. Et aho, manome rariny mihitsy, amin’izao fotoana izao: aleho homena « entité » mahaleo tena sahala amin’ny CENI ny miandraikitra ny fifidianana fa raha ny zavatra nataon’ny « chefs de district » sy ny « préfets » dia tena sahala amina adi-barofo, efa solontenan’ny Hvm fa tsy solontenam-panjakana intsony.

Ka raha mbola mitohy izay itondran’ny « ministre-ny Intérieur » an’ireto « personnels » solontenam-panjakana ireto dia ho zava-doza no hitranga eto Madagasikara satria ny olona natao ho solontenam-panjakana dia lasa misolo tena ny antoko ka hiteraka tany tsy tan-dalàna eto amin’ny firenena izay zavatra izay. Ka amiko izany, alehoko tsindrina manokana ny « ministre-ny Intérieur ». Raha ohatra ka fifaninanana amin’ny tsy ara-dalàna no nampanaovan’ny fanjakana an’io « ministre-ny Intérieur » io dia ankasitrahako izy. Fa raha ohatra kosa tena fanjakana tan-dalàna ny fanjakana entin’ny Prezida Hery Rajaonarimampianina: andraisanareo andraikitra farany izay aingana ny « ministre-ny Intérieur ». Miandry an’izay ny tenako. Tany amin’ny « région de la Sofia », nolazaina fa « coach »-ny Sofia ny « ministre-ny Intérieur ». Nabaribarinay tamin’ny olona rehetra fa ao anatin’ny « programme national de développement » na PND, izay navoakan’ny « gouvernement » tsy misy fampandrosoana ny « région de la Sofia » na iray ao, nefa ny « ministre-ny Intérieur » no hoe « coach de la région de la Sofia ». Amiko, « coach » na « entraineur » tsy hampandroso ny toerana izay heveriny fa ho tantanany fa aleho esorina. Mbola « mi-justifié » an’izay: « sept districts » ny Sofia, « sept députés sur sept » tsy misy mifanaraka aminy.

Izao koa miampy « sénateurs » miady aminy daholo. Ka raha « ministre coach » nefa ny olom-boafidy rehetra tsy misy mifanaraka aminy, tsy hampandroso ny « région de la Sofia » izay, tsy hampandroso ny faritan’i Majunga, ka mendrika handraisana fepetra. Iny aloha izany ny mikasika ny « ministre-ny Intérieur » fa tena nanimba ny « administrateurs civils » ny nataon’ny « ministre-ny Intérieur » satria aorian’ny mpitsara dia ny « administrateurs civils » no « fonctionnaires » anisan’ny mitàna andraikitra lehibe indrindra maha firenena ny firenena. Ka izay ny somary nandraisako resaka lavalava mikasika an’iny « ministre-ny Intérieur » iny. Na izany na tsy izany anefa, misaotra ny mpividy rehetra ny tenako, misaotra ny CENI izay nikarakara ny fifidianana ary indrindra misaotra ny mambra ao amin’ny HCC izay naha be resaka taloha fa raha ny fahitana ny zava-misy dia hafa ny vokatra tany amin’ny CENI, nefa hafa ny vokatra teny amin’ny HCC. Midika izay fa nanao ny asany ny HCC, andray ny asa tandrify azy izy, fa ny zavatra tsy vitan’ny HCC kosa dia ireny teritery nataon’ny « district » sy ny « préfets » izay nampanaovin’ny « ministre-ny Intérieur » ireny. Fa ny maha ara-dalàna ny zavatra nampanaovina azy kosa dia tanteraky ny HCC.

Voafidy soa aman-tsara ho mambra mandrafitra io « Sénat » io ny tenako, avy any amin’ny « province de Majunga ». Efa fantatro mialoha ny andraikitra ho sahanin’izany atao hoe « sénateur » izany ary izay ny nampirisika ahy hoe: aleho ato no miditra. Ny « sénateur » raha tsorina dia misolo tena ny « collectivités décentralisées » sy ny « organisations économiques » rehetra sy ny « organisations sociales » rehetra. Raha fakafakana izany « mission »’ny « sénateur » izany dia masahana ny lafin’ny fiainana rehetra: ny sosialy, ny resaka ekonomika ary misolo tena ireto « collectivités décentralisées » ireto. Dia io fomba fiasa, fiasako dia aminy maha solontenan’ny « collectivités décentralisées » dia ireo mambra ao amin’ny « collectivités décentralisées » rehetra ireo hatrany aminy « conseils municipaux », miakatra mahazo ny « districts » sy ny « régions ». Ireo izany no ho solotenanay hazoana ny « renseignements » rehetra izay tsy eo am-pelan-tànana. Ireny « renseignements » ireny no hoentina hanatsarana ny farim-piainan’ny mponina ary anisan’ny « mission-ny sénateur » ny mi-« conseiller » ny « gouvernement ». Izany hoe: amin’io resaka ara-ekonomika sy ara-sosialy io, mampilaza any amin’ny « gouvernement » fa ity ny làlana mety hitondrana ny resaka ara-ekonomika eto; ity ny zavatra tsy mety ataonareo ka mba ovao.

Handondonam-baravarana aloha amin’ny fomba fiasa. Raha mandray moa arahaba soa, arahaba tsara; raha handondonam-baravarana ka tsy mandray dia hiditra amina « étape » ambonimbony kokoa. Ny zavatra efa hita maso any ambanivohitra, any ambany ravin-kazo rehetra any dia manjaka aloha ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny. Mba tsy ilazaka izay joe avy aiza izy ireo na avy aiza. Eo koa ny resaka tsy fandraisana andraikitra ny ministera misahana ny Ala. Satria, ny « environnement » tena potiky ny doro-tanety, misy fiantraikany ara-ekonomika izany -izay resahiko rehefa avy eo- satria tsy misy fandraisana andraikitra.

Ao koa, indrindra indrindra ity ady tany sy ny ministera voakasik’izay. Dia hisy asa goavana ataonay amin’io lafiny rehetra io. Satria ny ady tany no mahatonga ny tsy fandriampahalemana, mahatonga ny olona mifamono, ary itsofoan’ny vahiny ireo resaka ady ireo. Ny manaraka, ny fahitako ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny « devise »-ny akademia tsy mbola tsy adino: ho an’ny Tanindrazana. Raha tsorina ny famaritana izany fitiavan-tanindrazana izany dia: arovanao ny Tanindrazanao, izao vao hasoavanao ny Tanindrazana. Ny fiarovana ny Tanindrazana tsy vitan’ny hoe resaka tsy fandriampahalemana fa mahatonga antsika tsy mandroso amin’izao fotoana izao dia satria gaboraraka ilay fivoahan’ny harem-pirenen-tsika.

Ka tsy maintsy harafitra miaraka amin’ny « collectivités décentralisées » ireo sy ny « projets de loi » izay hataonay amin’ny « amendements »-ny lalàna rehetra izay efa misy izay fandrafetana ny fiarovana ny harenan-tsika izay.

Eto aho, somary hampaneno lakolosy. Isika amin’izao fotoana izao efa manomboka tsy ho tompon’ny Tanindrazan-tsika intsony. Azavaiko ny teniko. Ny moron-tsiraka rehetra io efa saika lafo vidy aby. Efa namidy tamina vahiny. Ny harena amban’ny tany efa saika namidy amin’ny vahiny aby. Ny eto Antananarivo, ny hitanareo maso io, efa lasana vahiny na lasana karana ny toerana tsaratsara rehetra. Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy fa efa manomboka tsy ho tompony ny Tanindrazana intsony raha tsy mijoro aingana. Izay aloha ny zavatra hita. Ka, ohatra roa no entiko ho antsika. Niasa tany Ihosy ny tenako, Ilakaka no nipoiran’ny safira voalohany indrindra. Ny Sri-lankais no betsaka indrindra any mitandraka, dia Sri-lankais no niteny tamiko: « any aminay, betsaka safira matoa izahay mahay mijery ny tsara amin’ity safira ity ; mahay mitily ny mety sy tsy mety, fa izao ny antony nahatongavanay aty: 60%-ny fitrandrahana any aminay dia ho an’ny mpitandraka fa ny 40% an’ny fanjakana. Fa ny aty aminareo 2% ary zara raha hitan’ny fanjakana ny ankamaroan’ny vokatra izay mivoaka. Rariny raha tsy mandroso ianareo ».

Dia jeren-tsika koa ny ao Norvège. Raha tsy diso ny tenako, anisan’ny mpamokatra « pétrole » matanjaka indrindra ary anisan’ny firenena madio indrindra i Norvège. « Libres » izay olona te-hitrandraka fa 50% an’ny fanjakana, 50% an’izay « entreprises » mitrandraka. Fa dia « gratuit » ny resaka « santé », « gratuit » ny resaka fampianarana, ary vao tamin’iny volana novambra iny, nisy referendum tany hoe: hiditra ao amin’ny « Union européenne » sa tsia. Dia nandresy ny « NON ». Izany hoe, tsy te-hovoafatopatrotr’ireto fikambanana iraisam-pirenena ireto satria efa manana ny azy. Ka inona ny manakàna antsika eto Madagasikara, manana ny harem-be, raha ohatra ka tsy te-hovoafatopatotra dia mamoaka lalàna mitovy amin’izay. Ka izay zavatra izay no anisan’ny ohatra ho raisiko, hoentiko omena ny « gouvernement » avy eo anivon’ny « Sénat », ho « proposer »-na hoe: izao ny fiarovana ny harenan-tsika, izao ny fomba hampandroso antsika, fa raha tsy miova amin’izao rafitra izao misy izao isika dia na zato taona aza tsy handroso isika. Izay ny zavatra anankiray izay.

Ny fomba fiarovana ny harem-pirenen-tsika dia azo ampidiran-tsika tsara ny mpitandro filaminana. Betsaka ny miresaka hoe manabe isa fotsiny ao amin’ny « casernes » ny miaramila. Vandy, lainga izay. Ny miaramila, Tompoko, betsaka ny adidy tokony ho raisiny fa tsy ampanaovana azy. Ny isan’ny miaramila eto amintsika aza tsy ampy, ny fitaovana eo am-pelatànan’ny miaramila aza tsy ampy ary mino aho fa fanahy iniana mihitsy ataon’ny firenena mpamatsy vola tsy ho ampiana ny miaramila. Raha matanjaka ny miaramila-ntsika dia ho kely làlana ireo firenen-dehibe izay any ivelany ireo, amin’ny fandrobana ny harenan-tsika. Mazava hoa azy fa matoa matanjaka ny « forces » any amin’ireny firenen-dehibe ireny, tsy adala izy satria rehefa matanjaka ny « forces », matanjaka ny miaramila, dia matanjaka ho azy ilay firenena. Ka io izany, tokony hampantanjahana mihitsy ny fitaovan’ny miaramila, ary omeo ny miaramila ny miandry an’ireny haren-tsika tsy ivoaka ireny.

Fifanarahana ny an’ny fanjakana, fa miantomboka izy hivoaka tokony ny miaramila no manao « contrôle » ireny fivoahana ireny. « Contraire » amin’izany anefa no mitranga amin’izao fotoana izao ary mampalahelo. Ny « portes de sortie » rehetra dia namidy amin’ny vahiny. Jerenareo ao Ivato, ny « aéroport ». Henatra lehibe ho an’ny Tanindrazana mihitsy izany hoe « aéroport international » an’ny tanindrazanao, vahiny no mitantana azy. Manontany tena aho hoe: « complices » amin’ny halatra izay ataon’ny vahiny eto ve ny mpitondra? Fa ho moramora ny fivoahan’ny haren-tsika raha ny vahiny no mitantana ny « aéroport ». Ny « port » sahala amin’izay koa. Tsy azonao « contrôler »-na ny entana miditra sy mivoaka ao amin’ny Sheritt, nefa harenanao no tandrahany, tanindrazanao no ipetrahany, fa ahoana no tsy azo arahi-maso? Izay zavatra izay izany, tsy maintsy hidiranay lalina ary hiara-hiasa aminareo mpanao gazety amin’ny fitandrahana ny marina rehetra. Tsy miditra amin’ny zavatra efa nosoniavin’ny fanjakana. Rehefa cobalt no nosoniavin’ny fanjakana dia tokony cobalt ihany no mivoaka fa tsy volamena na « diamant ». Ary ny « tonnage » izay nifanarahana tamin’ny fanjakana dia tokony ho vao-contrôlé » tsara hoe firy marina no efa lasa ary firy no tokony ho sisa. Ny miaramila azo ampiasaina hanao izay « contrôle » izay. Fa tsy mbola ampy ireo miaramila ireo ary ny amin’ny « casernes » tsy ampanaovina ny asa izay tokony ampanaovina azy.

Asiako resaka ny mikasika ny firafitry ny fitondrana. Ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao, izay tarihin’ny Prezidà Hery Rajaonarimampianina, izaho dia sahy milaza amintsika eto, f’efa tsy ao intsony ny maha « légitime » an’io fitondrana io. Nisy anankiroa nifanandrana teto: Hery Rajaonarimampianina sy Robinson. Prezidà Hery notohanan’ny Prezidà Andry Rajoelina. Rehefa tsy navela nilatsaka i Andry Rajoelina dia nanohana ny Prezidà Hery. Izany hoe ny olona rehetra saika nifidy an’ny Prezidà Andry Rajoelina dia lasa nifidy ny Prezidà Hery. Robinson dia notohanan’ny Prezidà Ravalomanana. ny olona rehetra saika nifidy an’ny Prezidà Ravalomanana dia lasa nifidy ny Prezidà Robinson. Rehefa namadika ny Prezidà Andry Rajoelina ny Prezidà Hery, dia mazava ho azy fa niala ao an-damosin’ny Prezidà Hery daholo ny olona saika hifidy ny Prezidà Andry Rajoelina dia azoko atao hoe « vide » ny ao an-damosiny ao. Sahala amin’izay koa i Robinson, rehefa nisintaka tamin’ny Prezidà Ravalomanana i Robinson dia nanaraka ny Prezida Ravalomanana daholo ny olona tokony nifidy an’i Robinson. Izany hoe «vide» iny «élection» farany teo iny (Ttf: tamin'ny taona 2013, ary izay ny mahatonga ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao: tsy misy mandeha amin’izao fotoana izao.

Ny tenako izay miteny eto izao, satria efa tsy mitondra intsony ny « statut » maha miaramila dia afaka miteny amin’izay, fa izaho izao no nampandany io Prezidà Hery io tany amin’ny « région de la Sofia ». Tsy afaka miteny ankoatra izay. Io « ministre-ny Intérieur » io tsy nanao « propagande » tany na indray mandeha. Fa ny « ministre »-ny Majunga faharoa, ny « ministre-ny Pêche » (Ttf: Ahmad), iny no nanao tany amin’ny faritra Boeny sy Melaky. Fa taty amin’ny faritra Sofia dia ny tenako nandany ny harena rehetra nampandany io Prezidà Hery io fa anisan’ny voafitaka, anisan’ny fitahina. Jereo ny diksionera fa tsy ny tenako no mamorona. Ny « synonyme » izany hoe « ingrat » izany dia « personne non reconnaissante ». Ny olona mamadika, mamitaka, « ingrat » izany amiko. Raha izay ny fototra ijoroan’ny mpitondra, dia ataoko fa sarotsarotra aminy ny mitondra. Ny olona rehetra nampandany anao nofitahina, dia izao ny manjo ny Tanindrazan-tsika.

Inona izany sisa? Rehefa « vide » ny ao an-damosin’io fitondrana io, dia « juste » mialokaloka amban’ny hoe « ordre constitutionnel ». Izany hoe lanim-bahoaka dia nanao fianianana nefa ny vahoaka izay nifidy anao tsy ao intsony, mialokaloka sisa amin’izay « ordre constitutionnel » izay, mampiasa « forces » sisa. Nefa hatraiza ny faharetan’ny namana ao amin’ny « forces » hiaro anao amin’ny tsy mety rehetra izay atao? Aleho ampanenona izay lakolosy izay. Ka miverena aingana amina zavatra lojika. Misy mahay miteny hoe izany filoham-pirenena izany napetrak’Andriamanitra.

Ekeko ao amin’ny Baiboly, fa nisy vondron’olona nampiasain’Andriamanitra ametraka anao. Fa ireo vondron’olona nampiasain’Andriamanitra ametraka anao nofitahinao dia na ho aiza, na hiodin-kavia na hiodin-kavana ianao tsy ho tafavoaka. Ny fiverenanao amin’ny olona izay nampiasain’Andriamanitra nametraka anao, izay ihany no vahaolana. Fa raha tsy izay, tsy ho tafavoaka na inona na inona ataonao.

Misy teny entiko mba anairàna antsika rehetra. Raha ny mpitondra no mitondra firenena miakatra ny fandrosoana, ka arodana, dia tsy fitiavan-tanindrazana izay. Fa raha ohatra kosa ny mpitondra firenena mitondra ny firenena miditra ao anatin’ny lavaky ny fahantrana, mbola tazomina amin’ny toerany, dia vao mainka tsy fitiavan-tanindrazana izany. Dia anjaran-tsika no mieritreritra: mandroso ve izao Tanindrazan-tsika izao sa tsy mandroso? Dia miangavy ny tia Tanindrazana rehetra mba andray andraikitra, hanavotra izao Tanindrazan-tsika izao fa tena potika tanteraka ary mampahatiahy ny teniko tamin’ny voalohany teo: Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny isika izao fa efa manomboka tsy ho tompony intsony, efa ny vahiny no tompon’ny toerana tsaratsara rehetra, efa saika lafo daholo ny rehetraretra.

Amaranako ny teniko, indramiko ny tenina olona anankiroa, Martin Luther King sy ny Président Kennedy. Izao nu tenin’ny Pasteur Martin Luther King: « Tsy misy asa ratsy fa ny fitondranao amin’ny fo io asa io no mahatsara na maharatsy azy ». Izany hoe raha ny mpitondra tena mitondra amin’ny fo ny asa izay ataony dia tsara izy izay. Fa raha ny mpitondra kosa tsy mitondra tena amin’ny fo, fa ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza no mamikitra azy, dia ratsy izy izay. Na mpamafa lalàna ianao, hoy i Martin Luther King, dia ataovy mierika ny mpandalo hoe: izany ka tena mpamafa lalàna. Izao ny tenin’ny Président Kennedy : « Aza mangataka zavatra ho ataon’ny Tanindrazana ho anao ianao fa inona no ataoko ho an’ny Tanindrazako? ». Ka teny atsipy amintsika rehetra tia Tanindrazana izay. Mifohaza amin’izay, ahirato amin’izay ny maso fa inona ny adidy hataon-tsika amin’ny Tanindrazan-tsika. Misaotra, Tompoko.

Loholona Lylison de René

Antananarivo, faha 31 Janoary 2016

Namadika ireo ho soratra mitoetra ho an’ny Tantaran’i Madagasikara:

Jeannot RAMAMBAZAFY – 2 Febroary 2016

Voir les commentaires

Articles récents

Hébergé par Overblog