Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Loholona Lylison de René: «Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy»

Voafidy ara-dalàna tany Mahajanga ho Loholon’i Madagasikara ny Kolonely Lylison de René izay tsy voafehin’ny fitsipi-pifehezana miaramila intsony. Kanefa amin’izay maha-miaramila azy izay indrindra dia voatazony hatrany ireto: «Patrotisme; sens de la discipline et de l’auto-discipline; sens de l’honneur et de la parole donnée ; sens de l’autorité, sens du devoir». Tsy izy mihitsy akory izany no hamadika ny Tanindrazana, araky ny teny baiko (« ordre ») hoe : MASINA NY TANINDRAZANA.

Loholona Lylison de René: «Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy»

Ny 31 Jolay 2016 teo ary dia nanao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety izy ary nahitsy ny teniny. Nataoko adidy eo anatrehan’ny Tantara ny namadika io valan-dresaka io an-tsoratra satria ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Ny marina iray sy tokana. Mino aho fa ho avy ny rediredy isan-kazarany. Fa ny marina mitoetra mandrakizay ary ny lainga afafy dia hiverina amin’izay nanao azy ihany. Ny ho ela na ho aingana. Mbola hadikako teny frantsay koa io fa mila fotoana kely

Jeannot Ramambazafy – 2 Febroary 2016

« Ia. Nampiantso anareo mpanao gazety moa ny tenako satria niova andraikitra. Ny dikan’izay: misy adidy vaovao, amina fomba fiasa vaovao no ho tanterahina. Nahafantarana ny tenako hatramin’izay moa tato amin’ny foloalindahy. Maro izany ireo nametra-panontaniana hoe: maninona moa Kolonely no hiditra kandida senatora? Ny antony dia tsotra: ny fandraisana andraikitra no nahatonga ahy hiditra senatora. Satria ny asa fandraisana andraikitra ho an’ny tanindrazana, tsy voatery ho ao amin’ny foloalindahy no afahana manatanteraka azy. Na mpamafa làlana ianao, na inona ny asanao, rehefa mitondra voka-tsoa ho an’ny mpiray tanindrazana aminao, dia adidy fandraisana andraikitra ho an’ny tanindrazana daholo izay rehetra rehetra izay.

Betsaka ny asa vitako tao amin’ny folohalindahy ary tsy azo kosahina eo amin’ny Tantaran’i Madagasikara ny asa fampandrian-tany sy ny fampandriam-pahalemana izay notanterahiko. Nefa misy sakana kely mbola tsy afahako mamita izay adidy ho an’ny tanindrazana izay. Satria, na mahita zavatra tsy izao ianao ato amin’ny foloalindahy, dia tsy afaka miteny noho ilay hoe « discipline militaire ». Tsy maha-ratsy izay anefa fa ny maha-ratsy kely azy fotsiny: raha ny lehibe mahita zavatra tsy mety nefa tsy mandray andraikitra dia lasa « complices » daholo ny « subordonnés » rehetra. Ka manoloana ny zava-misy izay ho resahiko rehefa avy eo, tsy te-ho « complice » aminy tsy fandehanan-javatra izay mitranga amin’izao fotoana izao ny tenako.

Izay aloha izany no nahatonga ahy hiova toerana ary tsy nanaonao foana fa nisafidy ny làlana ara-dalàna. Nirotsaka ho kandida ny tenako? Nahazo « autorisation » ara-dalàna, aoka hazava izay resaka izay. Nilatsaka ho fidiana aho; lany soa aman-tsara tany amin’ny faritan’i Majunga. « Légal » izany izao ny « place » misy ahy, ary efa « en position de disponibilité » ny tenako amin’izao fotoana izao satria efa vita sonian’ny tompon’andraikitra ny « disponibilité »-ko. Izany hoe, efa tsy voafatotry ny « discipline militaire » ny tenako amin’izao fotana izao, fa manatanteraka ny « mandat » maha senatora ahy ny tenako. Eto izany dia miova tanteraka ny fomba izay andraisako andraikitra amin’ny tanindrazana. Ary ny hahafantaran’ny olona ahy rehefa manao « mission » dia tsy maintsy tanteraka hatrany amin’ny farany. Tsy mba nisy « mission » izay nampanaovana ahy ka tsy vitako. Na ny tsy vitana olona no nampanaovina ahy dia tanterako. Ka amin’ity « mandat » maha senatora ahy ity, hisy adidy lehibe nankinina amiko dia ho tanterahiko izay.

Nisy fifidianana. Somary resahiko kely ny fifidianana. Efa nisy « résultats » efa navoakan’ny HCC fa ny fifidiana dia iombako mitovy hevitra aminay rehetra izay nilatsaka, fa tsy fifidianana ny zava-nisy tany fa fanararaotam-pahefana; fampiharana fitaovam-panjakana sy ny teritery rehetra izay azo notanterahina dia notanterahina. Ny tompon’andraikitra izay afaka manao praopagandy dia efa voalazan’ny lalàna. Ny minisitra ekeko, ny « chefs de région » ekeko satria voalazan’ny lalàna. Fa voalazan’ny lalàna kosa fa tsy mahazo manao praopagandy ny « préfets », ny « chefs de district », ny « adjoints de district », ny « délégués ». Izany hoe: ireny voalaza fa solontenam-panjakana dia tena nanao praopagandy ary tena nanao teritery faran’izay enjana; « menaces » faran’izay enjana, ka nahatonga ny voka-pifidianana nandeha amin’ny tokony tsy izy. Tsy tena vokatry ny safidin’olona ireny nivoaka ireny.

Fa raha ny tena safidin’olona no navela malalaka, tsy ohatra ireny ny « résultats » ka amiko mbola diso tanteraka ireny « résultats » ireny fa tokony hiova. Iza no tompon’andraikitra? Aleho tsoriko eto: ny mpifehy ireo « personnels » tsy mahazo manao praopagandy ireo dia ny « ministre-ny Intérieur », Mahafaly Olivier. Amin’ny olona any ambanivohitra, any amin’ny « communes », any amin’ny « districts », any amin’ny « régions », any amin’ny faritany any dia tsy misy mahatoky izany « districts », « préfets », « délégués » izay mipetraka amin’izao fotoana izao. Izany hoe noho ny avy amin’ny « ministre-ny Intérieur » dia mirefarefa amin’ny tany tanteraka ny solontenam-panjakana. Et aho, manome rariny mihitsy, amin’izao fotoana izao: aleho homena « entité » mahaleo tena sahala amin’ny CENI ny miandraikitra ny fifidianana fa raha ny zavatra nataon’ny « chefs de district » sy ny « préfets » dia tena sahala amina adi-barofo, efa solontenan’ny Hvm fa tsy solontenam-panjakana intsony.

Ka raha mbola mitohy izay itondran’ny « ministre-ny Intérieur » an’ireto « personnels » solontenam-panjakana ireto dia ho zava-doza no hitranga eto Madagasikara satria ny olona natao ho solontenam-panjakana dia lasa misolo tena ny antoko ka hiteraka tany tsy tan-dalàna eto amin’ny firenena izay zavatra izay. Ka amiko izany, alehoko tsindrina manokana ny « ministre-ny Intérieur ». Raha ohatra ka fifaninanana amin’ny tsy ara-dalàna no nampanaovan’ny fanjakana an’io « ministre-ny Intérieur » io dia ankasitrahako izy. Fa raha ohatra kosa tena fanjakana tan-dalàna ny fanjakana entin’ny Prezida Hery Rajaonarimampianina: andraisanareo andraikitra farany izay aingana ny « ministre-ny Intérieur ». Miandry an’izay ny tenako. Tany amin’ny « région de la Sofia », nolazaina fa « coach »-ny Sofia ny « ministre-ny Intérieur ». Nabaribarinay tamin’ny olona rehetra fa ao anatin’ny « programme national de développement » na PND, izay navoakan’ny « gouvernement » tsy misy fampandrosoana ny « région de la Sofia » na iray ao, nefa ny « ministre-ny Intérieur » no hoe « coach de la région de la Sofia ». Amiko, « coach » na « entraineur » tsy hampandroso ny toerana izay heveriny fa ho tantanany fa aleho esorina. Mbola « mi-justifié » an’izay: « sept districts » ny Sofia, « sept députés sur sept » tsy misy mifanaraka aminy.

Izao koa miampy « sénateurs » miady aminy daholo. Ka raha « ministre coach » nefa ny olom-boafidy rehetra tsy misy mifanaraka aminy, tsy hampandroso ny « région de la Sofia » izay, tsy hampandroso ny faritan’i Majunga, ka mendrika handraisana fepetra. Iny aloha izany ny mikasika ny « ministre-ny Intérieur » fa tena nanimba ny « administrateurs civils » ny nataon’ny « ministre-ny Intérieur » satria aorian’ny mpitsara dia ny « administrateurs civils » no « fonctionnaires » anisan’ny mitàna andraikitra lehibe indrindra maha firenena ny firenena. Ka izay ny somary nandraisako resaka lavalava mikasika an’iny « ministre-ny Intérieur » iny. Na izany na tsy izany anefa, misaotra ny mpividy rehetra ny tenako, misaotra ny CENI izay nikarakara ny fifidianana ary indrindra misaotra ny mambra ao amin’ny HCC izay naha be resaka taloha fa raha ny fahitana ny zava-misy dia hafa ny vokatra tany amin’ny CENI, nefa hafa ny vokatra teny amin’ny HCC. Midika izay fa nanao ny asany ny HCC, andray ny asa tandrify azy izy, fa ny zavatra tsy vitan’ny HCC kosa dia ireny teritery nataon’ny « district » sy ny « préfets » izay nampanaovin’ny « ministre-ny Intérieur » ireny. Fa ny maha ara-dalàna ny zavatra nampanaovina azy kosa dia tanteraky ny HCC.

Voafidy soa aman-tsara ho mambra mandrafitra io « Sénat » io ny tenako, avy any amin’ny « province de Majunga ». Efa fantatro mialoha ny andraikitra ho sahanin’izany atao hoe « sénateur » izany ary izay ny nampirisika ahy hoe: aleho ato no miditra. Ny « sénateur » raha tsorina dia misolo tena ny « collectivités décentralisées » sy ny « organisations économiques » rehetra sy ny « organisations sociales » rehetra. Raha fakafakana izany « mission »’ny « sénateur » izany dia masahana ny lafin’ny fiainana rehetra: ny sosialy, ny resaka ekonomika ary misolo tena ireto « collectivités décentralisées » ireto. Dia io fomba fiasa, fiasako dia aminy maha solontenan’ny « collectivités décentralisées » dia ireo mambra ao amin’ny « collectivités décentralisées » rehetra ireo hatrany aminy « conseils municipaux », miakatra mahazo ny « districts » sy ny « régions ». Ireo izany no ho solotenanay hazoana ny « renseignements » rehetra izay tsy eo am-pelan-tànana. Ireny « renseignements » ireny no hoentina hanatsarana ny farim-piainan’ny mponina ary anisan’ny « mission-ny sénateur » ny mi-« conseiller » ny « gouvernement ». Izany hoe: amin’io resaka ara-ekonomika sy ara-sosialy io, mampilaza any amin’ny « gouvernement » fa ity ny làlana mety hitondrana ny resaka ara-ekonomika eto; ity ny zavatra tsy mety ataonareo ka mba ovao.

Handondonam-baravarana aloha amin’ny fomba fiasa. Raha mandray moa arahaba soa, arahaba tsara; raha handondonam-baravarana ka tsy mandray dia hiditra amina « étape » ambonimbony kokoa. Ny zavatra efa hita maso any ambanivohitra, any ambany ravin-kazo rehetra any dia manjaka aloha ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny. Mba tsy ilazaka izay joe avy aiza izy ireo na avy aiza. Eo koa ny resaka tsy fandraisana andraikitra ny ministera misahana ny Ala. Satria, ny « environnement » tena potiky ny doro-tanety, misy fiantraikany ara-ekonomika izany -izay resahiko rehefa avy eo- satria tsy misy fandraisana andraikitra.

Ao koa, indrindra indrindra ity ady tany sy ny ministera voakasik’izay. Dia hisy asa goavana ataonay amin’io lafiny rehetra io. Satria ny ady tany no mahatonga ny tsy fandriampahalemana, mahatonga ny olona mifamono, ary itsofoan’ny vahiny ireo resaka ady ireo. Ny manaraka, ny fahitako ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny « devise »-ny akademia tsy mbola tsy adino: ho an’ny Tanindrazana. Raha tsorina ny famaritana izany fitiavan-tanindrazana izany dia: arovanao ny Tanindrazanao, izao vao hasoavanao ny Tanindrazana. Ny fiarovana ny Tanindrazana tsy vitan’ny hoe resaka tsy fandriampahalemana fa mahatonga antsika tsy mandroso amin’izao fotoana izao dia satria gaboraraka ilay fivoahan’ny harem-pirenen-tsika.

Ka tsy maintsy harafitra miaraka amin’ny « collectivités décentralisées » ireo sy ny « projets de loi » izay hataonay amin’ny « amendements »-ny lalàna rehetra izay efa misy izay fandrafetana ny fiarovana ny harenan-tsika izay.

Eto aho, somary hampaneno lakolosy. Isika amin’izao fotoana izao efa manomboka tsy ho tompon’ny Tanindrazan-tsika intsony. Azavaiko ny teniko. Ny moron-tsiraka rehetra io efa saika lafo vidy aby. Efa namidy tamina vahiny. Ny harena amban’ny tany efa saika namidy amin’ny vahiny aby. Ny eto Antananarivo, ny hitanareo maso io, efa lasana vahiny na lasana karana ny toerana tsaratsara rehetra. Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny ny Malagasy fa efa manomboka tsy ho tompony ny Tanindrazana intsony raha tsy mijoro aingana. Izay aloha ny zavatra hita. Ka, ohatra roa no entiko ho antsika. Niasa tany Ihosy ny tenako, Ilakaka no nipoiran’ny safira voalohany indrindra. Ny Sri-lankais no betsaka indrindra any mitandraka, dia Sri-lankais no niteny tamiko: « any aminay, betsaka safira matoa izahay mahay mijery ny tsara amin’ity safira ity ; mahay mitily ny mety sy tsy mety, fa izao ny antony nahatongavanay aty: 60%-ny fitrandrahana any aminay dia ho an’ny mpitandraka fa ny 40% an’ny fanjakana. Fa ny aty aminareo 2% ary zara raha hitan’ny fanjakana ny ankamaroan’ny vokatra izay mivoaka. Rariny raha tsy mandroso ianareo ».

Dia jeren-tsika koa ny ao Norvège. Raha tsy diso ny tenako, anisan’ny mpamokatra « pétrole » matanjaka indrindra ary anisan’ny firenena madio indrindra i Norvège. « Libres » izay olona te-hitrandraka fa 50% an’ny fanjakana, 50% an’izay « entreprises » mitrandraka. Fa dia « gratuit » ny resaka « santé », « gratuit » ny resaka fampianarana, ary vao tamin’iny volana novambra iny, nisy referendum tany hoe: hiditra ao amin’ny « Union européenne » sa tsia. Dia nandresy ny « NON ». Izany hoe, tsy te-hovoafatopatrotr’ireto fikambanana iraisam-pirenena ireto satria efa manana ny azy. Ka inona ny manakàna antsika eto Madagasikara, manana ny harem-be, raha ohatra ka tsy te-hovoafatopatotra dia mamoaka lalàna mitovy amin’izay. Ka izay zavatra izay no anisan’ny ohatra ho raisiko, hoentiko omena ny « gouvernement » avy eo anivon’ny « Sénat », ho « proposer »-na hoe: izao ny fiarovana ny harenan-tsika, izao ny fomba hampandroso antsika, fa raha tsy miova amin’izao rafitra izao misy izao isika dia na zato taona aza tsy handroso isika. Izay ny zavatra anankiray izay.

Ny fomba fiarovana ny harem-pirenen-tsika dia azo ampidiran-tsika tsara ny mpitandro filaminana. Betsaka ny miresaka hoe manabe isa fotsiny ao amin’ny « casernes » ny miaramila. Vandy, lainga izay. Ny miaramila, Tompoko, betsaka ny adidy tokony ho raisiny fa tsy ampanaovana azy. Ny isan’ny miaramila eto amintsika aza tsy ampy, ny fitaovana eo am-pelatànan’ny miaramila aza tsy ampy ary mino aho fa fanahy iniana mihitsy ataon’ny firenena mpamatsy vola tsy ho ampiana ny miaramila. Raha matanjaka ny miaramila-ntsika dia ho kely làlana ireo firenen-dehibe izay any ivelany ireo, amin’ny fandrobana ny harenan-tsika. Mazava hoa azy fa matoa matanjaka ny « forces » any amin’ireny firenen-dehibe ireny, tsy adala izy satria rehefa matanjaka ny « forces », matanjaka ny miaramila, dia matanjaka ho azy ilay firenena. Ka io izany, tokony hampantanjahana mihitsy ny fitaovan’ny miaramila, ary omeo ny miaramila ny miandry an’ireny haren-tsika tsy ivoaka ireny.

Fifanarahana ny an’ny fanjakana, fa miantomboka izy hivoaka tokony ny miaramila no manao « contrôle » ireny fivoahana ireny. « Contraire » amin’izany anefa no mitranga amin’izao fotoana izao ary mampalahelo. Ny « portes de sortie » rehetra dia namidy amin’ny vahiny. Jerenareo ao Ivato, ny « aéroport ». Henatra lehibe ho an’ny Tanindrazana mihitsy izany hoe « aéroport international » an’ny tanindrazanao, vahiny no mitantana azy. Manontany tena aho hoe: « complices » amin’ny halatra izay ataon’ny vahiny eto ve ny mpitondra? Fa ho moramora ny fivoahan’ny haren-tsika raha ny vahiny no mitantana ny « aéroport ». Ny « port » sahala amin’izay koa. Tsy azonao « contrôler »-na ny entana miditra sy mivoaka ao amin’ny Sheritt, nefa harenanao no tandrahany, tanindrazanao no ipetrahany, fa ahoana no tsy azo arahi-maso? Izay zavatra izay izany, tsy maintsy hidiranay lalina ary hiara-hiasa aminareo mpanao gazety amin’ny fitandrahana ny marina rehetra. Tsy miditra amin’ny zavatra efa nosoniavin’ny fanjakana. Rehefa cobalt no nosoniavin’ny fanjakana dia tokony cobalt ihany no mivoaka fa tsy volamena na « diamant ». Ary ny « tonnage » izay nifanarahana tamin’ny fanjakana dia tokony ho vao-contrôlé » tsara hoe firy marina no efa lasa ary firy no tokony ho sisa. Ny miaramila azo ampiasaina hanao izay « contrôle » izay. Fa tsy mbola ampy ireo miaramila ireo ary ny amin’ny « casernes » tsy ampanaovina ny asa izay tokony ampanaovina azy.

Asiako resaka ny mikasika ny firafitry ny fitondrana. Ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao, izay tarihin’ny Prezidà Hery Rajaonarimampianina, izaho dia sahy milaza amintsika eto, f’efa tsy ao intsony ny maha « légitime » an’io fitondrana io. Nisy anankiroa nifanandrana teto: Hery Rajaonarimampianina sy Robinson. Prezidà Hery notohanan’ny Prezidà Andry Rajoelina. Rehefa tsy navela nilatsaka i Andry Rajoelina dia nanohana ny Prezidà Hery. Izany hoe ny olona rehetra saika nifidy an’ny Prezidà Andry Rajoelina dia lasa nifidy ny Prezidà Hery. Robinson dia notohanan’ny Prezidà Ravalomanana. ny olona rehetra saika nifidy an’ny Prezidà Ravalomanana dia lasa nifidy ny Prezidà Robinson. Rehefa namadika ny Prezidà Andry Rajoelina ny Prezidà Hery, dia mazava ho azy fa niala ao an-damosin’ny Prezidà Hery daholo ny olona saika hifidy ny Prezidà Andry Rajoelina dia azoko atao hoe « vide » ny ao an-damosiny ao. Sahala amin’izay koa i Robinson, rehefa nisintaka tamin’ny Prezidà Ravalomanana i Robinson dia nanaraka ny Prezida Ravalomanana daholo ny olona tokony nifidy an’i Robinson. Izany hoe «vide» iny «élection» farany teo iny (Ttf: tamin'ny taona 2013, ary izay ny mahatonga ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao: tsy misy mandeha amin’izao fotoana izao.

Ny tenako izay miteny eto izao, satria efa tsy mitondra intsony ny « statut » maha miaramila dia afaka miteny amin’izay, fa izaho izao no nampandany io Prezidà Hery io tany amin’ny « région de la Sofia ». Tsy afaka miteny ankoatra izay. Io « ministre-ny Intérieur » io tsy nanao « propagande » tany na indray mandeha. Fa ny « ministre »-ny Majunga faharoa, ny « ministre-ny Pêche » (Ttf: Ahmad), iny no nanao tany amin’ny faritra Boeny sy Melaky. Fa taty amin’ny faritra Sofia dia ny tenako nandany ny harena rehetra nampandany io Prezidà Hery io fa anisan’ny voafitaka, anisan’ny fitahina. Jereo ny diksionera fa tsy ny tenako no mamorona. Ny « synonyme » izany hoe « ingrat » izany dia « personne non reconnaissante ». Ny olona mamadika, mamitaka, « ingrat » izany amiko. Raha izay ny fototra ijoroan’ny mpitondra, dia ataoko fa sarotsarotra aminy ny mitondra. Ny olona rehetra nampandany anao nofitahina, dia izao ny manjo ny Tanindrazan-tsika.

Inona izany sisa? Rehefa « vide » ny ao an-damosin’io fitondrana io, dia « juste » mialokaloka amban’ny hoe « ordre constitutionnel ». Izany hoe lanim-bahoaka dia nanao fianianana nefa ny vahoaka izay nifidy anao tsy ao intsony, mialokaloka sisa amin’izay « ordre constitutionnel » izay, mampiasa « forces » sisa. Nefa hatraiza ny faharetan’ny namana ao amin’ny « forces » hiaro anao amin’ny tsy mety rehetra izay atao? Aleho ampanenona izay lakolosy izay. Ka miverena aingana amina zavatra lojika. Misy mahay miteny hoe izany filoham-pirenena izany napetrak’Andriamanitra.

Ekeko ao amin’ny Baiboly, fa nisy vondron’olona nampiasain’Andriamanitra ametraka anao. Fa ireo vondron’olona nampiasain’Andriamanitra ametraka anao nofitahinao dia na ho aiza, na hiodin-kavia na hiodin-kavana ianao tsy ho tafavoaka. Ny fiverenanao amin’ny olona izay nampiasain’Andriamanitra nametraka anao, izay ihany no vahaolana. Fa raha tsy izay, tsy ho tafavoaka na inona na inona ataonao.

Misy teny entiko mba anairàna antsika rehetra. Raha ny mpitondra no mitondra firenena miakatra ny fandrosoana, ka arodana, dia tsy fitiavan-tanindrazana izay. Fa raha ohatra kosa ny mpitondra firenena mitondra ny firenena miditra ao anatin’ny lavaky ny fahantrana, mbola tazomina amin’ny toerany, dia vao mainka tsy fitiavan-tanindrazana izany. Dia anjaran-tsika no mieritreritra: mandroso ve izao Tanindrazan-tsika izao sa tsy mandroso? Dia miangavy ny tia Tanindrazana rehetra mba andray andraikitra, hanavotra izao Tanindrazan-tsika izao fa tena potika tanteraka ary mampahatiahy ny teniko tamin’ny voalohany teo: Efa mijorojoro eto ambonin’i Madagasikara fotsiny isika izao fa efa manomboka tsy ho tompony intsony, efa ny vahiny no tompon’ny toerana tsaratsara rehetra, efa saika lafo daholo ny rehetraretra.

Amaranako ny teniko, indramiko ny tenina olona anankiroa, Martin Luther King sy ny Président Kennedy. Izao nu tenin’ny Pasteur Martin Luther King: « Tsy misy asa ratsy fa ny fitondranao amin’ny fo io asa io no mahatsara na maharatsy azy ». Izany hoe raha ny mpitondra tena mitondra amin’ny fo ny asa izay ataony dia tsara izy izay. Fa raha ny mpitondra kosa tsy mitondra tena amin’ny fo, fa ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza no mamikitra azy, dia ratsy izy izay. Na mpamafa lalàna ianao, hoy i Martin Luther King, dia ataovy mierika ny mpandalo hoe: izany ka tena mpamafa lalàna. Izao ny tenin’ny Président Kennedy : « Aza mangataka zavatra ho ataon’ny Tanindrazana ho anao ianao fa inona no ataoko ho an’ny Tanindrazako? ». Ka teny atsipy amintsika rehetra tia Tanindrazana izay. Mifohaza amin’izay, ahirato amin’izay ny maso fa inona ny adidy hataon-tsika amin’ny Tanindrazan-tsika. Misaotra, Tompoko.

Loholona Lylison de René

Antananarivo, faha 31 Janoary 2016

Namadika ireo ho soratra mitoetra ho an’ny Tantaran’i Madagasikara:

Jeannot RAMAMBAZAFY – 2 Febroary 2016

Articles récents

Hébergé par Overblog