Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Jeannot Ramambazafy. Aoka hazava! Radio Viva 06 Janoary 2016
Jeannot Ramambazafy. Aoka hazava! Radio Viva 06 Janoary 2016
Jeannot Ramambazafy. Aoka hazava! Radio Viva 06 Janoary 2016

Araky ny voalazako ao anatin’ny fandaharana dia nisy fotoana niarahako tamin’i Hery Rajaonarimampianina, olo-tsotra, mpiasa ben’Andriamanitra, miresaka ary mora resahina. Saingy indrisy, fa ny tantarany dia tsy mba Saoly niova ho Paoly (ETO) fa dia i Paoly nivadika ho Saoly tanteraka, rehefa injay izy lasa Filoham-pirenena.

N'inona n'inona ny mety disadisa nisy tamin'ireo izay naha minisitry ny Vola azy nandritra ny dimy taona be izao, tao anatin'ny fony ny "vali-faty" ka nalehony natakalo voninahitra sy vola ny fihavanana ary niditra tao anaty maizina tanteraka ilay toe-tsaina mazava nananany. Raha aminy samy irery moa maninona, fa ny firenena malagasy iray manontolo no arendriny. Firenena iray manontolo koa anie no ho tantànana e! Avy aiza io tranga fotsy lasa mainty io? Avy any amin’ny manodidina azy aloha -izay namporisika tsy nisy toa izany ka mbola mitohy- ary tsy voafehiny intsony izy ireo ankehitriny. Mampanahy, no izany, ny ho aviny, atsy ho atsy…

Articles récents

Hébergé par Overblog