Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
Hery Rajaonarimampianina. Ny Kabariny manontolo tamin’ny 8 Janoary 2015

« Aoka ho fantatry ny rehetra fa manana tamberina andraikitra amin’ny vahoaka na ny olom-boafidy na ny mpiasam-bahoaka rehetra ». Anisan’ny teny ny Filoha Rajaonarimampianina io tamin’ny kabariny, ny 8 Janoary 2016. Tsy vitan’izany fa manan-jo ny vahoaka malagasy amin’ny fanomezana azy vaovao feno sy marina. Indrindra fa avy amin’ny fitondrana. Fa inona moa no teo hatramin’ity alahady 10 Janoary 2016 ity?

Hery Rajaonarimampianina. Ny Kabariny manontolo tamin’ny 8 Janoary 2015
Nijanona tamin'ny datin'ny 30 Desambra 2015 ny tranon-kalan'ny Prezidansy!

Nijanona tamin'ny datin'ny 30 Desambra 2015 ny tranon-kalan'ny Prezidansy!

Nijanona tamin'ny datin'ny 6 Janoary ny ao aminy TVM youtube marina!

Nijanona tamin'ny datin'ny 6 Janoary ny ao aminy TVM youtube marina!

Tsy misy ny kabaran’ny Filoha tamin'iny zoma 8 Janoary 2016 iny, na ao amin’ny tranon-kalan’ny Presidansy, na ao amin’ny Internet-ny Tvm. Ny any an-kafa anefa dia afaka ora vitsy monja dia azon’ny olona rehetra henona, vakiana sy jerena na dia lava toa inona ny kabary.

*Mbola nanampy koa ny Filoha fa : « natao hanompo vahoaka isika fa tsy ho tompoinina : natao hilohaloha vahoaka isika fa tsy natao hanambony tena, Tompokolahy sy Tompokovavy. Noho izany (in-droa) dia aoka hifanandrify amin’izany ny asa ataonareo rehetra ». Dia ahoana izany izao misivan-tena (« autocensure ») izao? Manitsaka ny zon’ny vahoaka izany, Tompoko («non respect du droit à l’information »)!

E ireto izy roalahy! Ankavia: Andrianjato Razafindambo Vonison, minisitry ny Serasera; ankavanana: Ratiarison Nivo, Talen'ny Kabinetrany. Ao amin'ny TVM io. Jereo anie ny rindrindra aoriana e: loko manga HVM! Maninona no terena ho HVM ny fitaovampanjakana? F'angaha koa tsy misy mpanao gazety matihanina intsony ao aminy TVM? Dia noroahina mihitsy i Lantomalala Rasata satria tsy nanaiky izao fomba izao!

E ireto izy roalahy! Ankavia: Andrianjato Razafindambo Vonison, minisitry ny Serasera; ankavanana: Ratiarison Nivo, Talen'ny Kabinetrany. Ao amin'ny TVM io. Jereo anie ny rindrindra aoriana e: loko manga HVM! Maninona no terena ho HVM ny fitaovampanjakana? F'angaha koa tsy misy mpanao gazety matihanina intsony ao aminy TVM? Dia noroahina mihitsy i Lantomalala Rasata satria tsy nanaiky izao fomba izao!

Jereo anie izy roalahy ireto e ! Ny iray minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisan’ny Andrimpanjakana (Ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions) dia Andrianjato Razafindambo Vonison, ny iray Talen’ny kabinetrany, ingahy Ratiarison Nivo. Inona ny ataon’izy roalahy ? Tsy manana tranon-kala ofisialy ny minisitera sahaniny fa dia namorona tranon-kala hafa ry zalahy : adigasy.mg no anarany. Dia izy roalahy no manolotra ny fandarahana ary koa manao asana mpanao gazety. Marina fa mpanao gazety teo aloha ingahy minisitra. Fa tokony najanony io rehefa injay voatendry minisitra.

Izao no tazany nefa hoe minisistry ny SERASERA. Fa nankaiza daholo ny tahiry napetrak'i Rolly Mercia fony izy minisitra Harry Rahajason? Dia fafàna fotsiny izao izany ny Tanara satria tsy HVM?

Izao no tazany nefa hoe minisistry ny SERASERA. Fa nankaiza daholo ny tahiry napetrak'i Rolly Mercia fony izy minisitra Harry Rahajason? Dia fafàna fotsiny izao izany ny Tanara satria tsy HVM?

Ohatra iray ity (aza afangaro amin’ny resaka tetezamita aza fady): nony lasa minisitra i Rolly Mercia dia najanony ny asany maha mpanao gazety aza ary tsy nisalotra ho mpanao gazety ao aminy Rnm ny Tvm izy. Nanokatra tranon-kala izy fa ny mahagaga dia novonoin’ireto roalahy ireto fotsiny izao. Izany hoe ny Tantaran’ny Madagasikara mihitsy no nokosehiny.

Ratiarison Nivo, teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016. Aza miseho mandala fanjakana mihoatra ny mpanjaka ianao fa lasa fanjakazakana e!

Ratiarison Nivo, teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016. Aza miseho mandala fanjakana mihoatra ny mpanjaka ianao fa lasa fanjakazakana e!

Nilaza tamin’ny mpiara-miasa amiko koa ingahy hoe : « henonareo ny nolazain’ny filoha ? ». Aza mampatahotra tanora ianao r’ingahy ity a ! Mbola tsy nisy vaovao tsy marina navoakako eto aminy madagate efa ho 15 taona izay. Ary rehefa mety ny ataon’ny mpitondra dia tsy maintsy lazaina amin’ny mpamaky. Sa avoakako eto ny afera nampifamaly anao sy Jean Claude Andrianaivo fony izy Talen’ny Rnm? Mahaiza miaina ary mahaiza miasa. Ary rehefa tsy mahay, tsotra : mialà fa aza miandry esorina! F’angaha tena nanahirana ny nangataka ity kabary ity tamin’ny Filoha ?

Tsilavina Ralaindimby,  Talen'ny Serasea ao amin'ny Prezidansy, teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016. F'ahoana e!? Angaha tsy "Pro"?

Tsilavina Ralaindimby, Talen'ny Serasea ao amin'ny Prezidansy, teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016. F'ahoana e!? Angaha tsy "Pro"?

Inona koa ny mba ataon’iTsilavina Ralaindimby e? Dia ataovy « copié-collé » koa ireto asa goavana manaraka ireto. Ireo anie no anakaramana anareo vola be ihany e!... Fa tsy misy olana amiko ny manao azy "bôjo" satria mila ireo ny vahoaka malagasy ary raha mandalo ny teny, ny soratra kosa mitoetra. Asa ho an'ny Tanindrazana ireo.Tsy misy olana satria mila ireo ny vahoaka malagasy ary raha mandalo ny teny, ny soratra kosa mitoetra.

Jeannot Ramambazafy – 10 Janoary 2016

**********************************************************************

KABARIN’NY FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA

LAPAM-PANJAKANAN’IAVOLOHA, 8 JANOARY 2016

ETO NY KABARY OFISIALY IRAY MANONTOLO PDF (napetraka ny 10 janoary 2016)

Fitanisana ny olona sy fiarahabana ny rehetra

(….)

Ohabolana maro tsy hita tanisaina

(…)

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ireo saina maro be izay narantrirantini’ireo tanora antsika teo ireo dia manambara fa taona miavaka ity taona 2016 ity. Handray ny fihaonan-tampon’ny COMESA sy ny Francophonie isika. Ny atsasa-manila ny firenena eran-tany ho avy eto amintsika, amin’ny alàlan’ireo mpitondra ambony avy amin’ny hafa. Voninahitra lehibe izany nefa mirakitra fanamby lehibe ho antsika koa.satria azoantsika mametraka fantsika eo amin’ny sehatry ny fanatontoloina. Izany hoe : misy fanambra ara-politika, misy fiarian-karena goavana ao anatin’ny dinika izay hitsangana eto amintsika amin’ity taona ity, ka isika hanateran-kira indray ve no ilaza fa tsy mahay mandihy ?

Hisy fiantraikany maro eo amin’ny lafin’ny toe-karena sy ny asa izany, ka ny tanora sy ny mpandraharaha indrindra no ahazo tombony amin’izany. Manoloana izany anefa, ary mba hitrandrahan-tsika,ny tombontsoa samihafa manandrify rehetra amin’ny hivoaran-tsika dia tsy maintsy miverina amintsika ny fahatokisa-tena, ny fifampitokisana eo amintsika samy isika. Tsy maintsy miasa mafy isika. Araky ny voalazako tamin’ny faran-taona hoe : mandroso isika dia mandroso noho ny asa izay tontosaina isan’andro vaky izao.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Voafidy hitondra fiatsaram-piainana ho an’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa sy hanarina ity tanindrazana ity ny tenako. Hita maso ary ekena ry Malagasy mpiray tanindrazana fa enjana ny zava-misy eo amin’ny sosialim-bahoaka. Hitan’ny filoha ireny ; henon’ny filoha ireny ; tsapan’ny filoha ireny. Tany amin’ny taona 80, 90 sy 2000 efa voakajy ho mahantra ny 80% ny Malagasy. Voalazan’ny mpiombon’antoka samihafa fa tafakatra 90% izany amin’izao fotoana izao, tsy nampitraka ny firenena eo amin’ny etraketraka samihafa nifandimby teto, ary namela takaitra izay zakain-tsika hatramin’izao. Ireo rehetra ireo no ezahan-tsika arenina ankehitriny ; ezahan-tsika ahitana làlana mari-toerana hafahana mitsinjo amin’ny fomba maharitra ny fiainam-bahoaka.

Tsy hiainga ny firenena raha mbola tambesaran’izany fanatsakatsakanana izany ny vaohaka malagasy. Noho izany dia natao laharam-pahamehana ireo faran’izay sahirana eto amin’ny firenena. Misaotra an’Andriamatoa Praiminisitra nanolotra ny boky mirakitra ny asa izay vita teo. Raha efa nomenao ahy mialoha iny, dia hoy aho hoe : teneno ny ampahany tahaka izao, Andriamatoa Praiminisitra, satria tsara ho fantatry ny vahoaka. Rehefa nahita izy iny teo aho dia hoy aho hoe : dia ho gazety maro no ilaina (in-droa) vao hafeno ity ; andro maro maro ireo gazety ireo hitanisa ireo foana an ! Ary ay be dia be ny zavatra vitanareo ? Koa maninona no tsy mipaka any amin’ny vahoaka izany ? Faly aho naheno ny feonao avo be teo, Fa hoy aho hoe : ohatran’izany ny feo ilaina mipaka any amin’ny vahoaka, afantaran’ny vahoaka fa miasa ianareo, ary miasa isika, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Mamelà anefa tsy maintsy hiteny kely ihany ny amin’ny sosialim-bahoaka, hafa ihany raha ny filoha no milaza azy.

Fahasalamana no voalohan-karena, hoy aho. Efa miparitaka manerana ny nosy, any amin’ny faritra dimy ivelan’Antananarivo sy any amin’ireo hopitaly samihafa ireo profesora, manana ny mari-pahaizana « agrégation », 28. Dia sahiko ny milaza aminao fa mandray an-tapitrisany mahery ireo misitraka ny fitsaboana manara-penitra amin’izao fotoana izao, ampy fitaovana. Ka anisan’izany ireo tena sahirana. Ankizy latsaka ny 15 taona miisa 11 tapitrisa mahery no vita vaksiny tamin’ny lefa-kozatra. Ao anatin’izany ny tena sahirana. Tobim-pahasalamana 138, izay efa nikatona, no misokatra amin’izao fotoana izao, mahazo tombontsoa amin’izany ny tena sahirana. Sosialim-bahoaka izany, Tompoko ô.

Eo anilan’ny fahasalamana, dia ny fanabeazana sy ny fampianarana ny ankizy. Ka amin’ireo ankizy iray tapitrisa niala an-tsekoly noho ny krizy, dia mahery ny atsasak’izy ireo, Tompoko, no efa tafaverina an-tsekoly. Ankizy enina hetsy sy iray tapitrisa no efa novatsiana kojakojam-pianarana. Ary amin’ny faritra 22 dia vola 14 miliara ariary no nanampiana sekolim-bahoaka ary mandrisika ny ankizy efa ho telo hetsy ny fanomezana sakafo azy ireo isan’andro any an-tsekoly. Sady manamaivana ny andavanandro ny isan’akohonana izany. Eo andanin’izany dia tanteraka izay efa nambarako fa dia nampidirina ho mpiasa raikitra, ho mpiasam-panjakana ny mpampianatra FRAM efa ho roa alina, na eo an-dalàm-panaovana izany.

Nomena fanofanana ny mampianatra, ny mpanabe an’aliny mbola tsy nisy nanao hatramin’izay, an’aliny maro manerana ny faritra rehetra eran’i Madagasikara. Ao koa ireo talen-tsekoly nahazo izany fampiofanana izany. Fitaovam-piasana maro no nomena. Anisan’izany ireo motos efa ho roa arivo nozaraina tamin’ireo sefo ZAP. Izany rehetra izany no natao dia ny anatsarana ny fitaovam-panabeazana sy ny kalitao. Tsy sosialim-bahoaka ve izany ?

Maro ny mila rano fisotro madio. Mila an’izany ny Malagasy maro izay sahirana ny ankamaroany. Fanovozan-drano enin-jato sy valo arivo no namboarina na navaozina ; foibe toerana lehibe fampiakarana sy fitahirizan-drano folo, antsoin-tsika hoe « grands centres » ary kelikely enina no nahorina amina tanàna amina faritra maro manerana an’i Madagasikara. Ny farany dia izay notokanako tany Morafenobe ary fivatsiana rano izay mamatsy paompy enina arivo sy iray alina. Omena anjara manokana, efa manomboka ny asa, amin’ity taona ity dia omena anjara manokana ianareo mponina any amin’ny faritra Androy izay fantatray fa mila izany rano izany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Sosialim-bahoaka izany, Tompoko ô !

Efa noresahiko ihany koa ny politika mifehy ny mpiara-belona, ny tena sahirana fa indrindra ny renim-pianakaviana sy ny ankizy no tsinjovina amin’izany. Ny antson-tsika azy dia ny hoe Vatsin’ankohonana. Efa ela izay no nanandramana azy tany amin’ny faritra Vakinankaratra. Nahomby ny traikefa tao ka hitarina any amina faritra dimy eto Madagasikara. Vola 40 tapitrisa dôlara vatsian’ny Banky iraisam-pirenena no atokana amin’izany ka mpisitraka mivantana dimy hetsy mahery (in-droa) no hahazo tombontsoa amin’izany ka vehivavy ny 65% amin’izany. Amin’ny alatsinainy izao no hanomboana izany any amin’ny faritra Analanjirofo. Sosialim-bahoaka izany, Tompoko ô.

Tsy hanohy aho atreho fa ametraka fanontaniana anao hoe : vita tamina fahagagana toa inona moa izany, Tompoko, raha tsy niasa ny fitondram-panjakana? Teo amin’nizay asa rehetra natao dia tsy nisy intsony izany tany lavitr’andriana sy kely tsy mamindro izany. Izay vitako ho an’ireny faritra madinika ireny dia vitako ho an’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana! Izay nanamaivana azy ireny dia manamaivana ireo mpiray tanindrazana misitraka ny vita. Nanao fanamby ny tenanay fa ankehitriny tsy misy tany lavitr’andriana izany ary tsy misy zanak’ikala hafa fa ho an’ny mpilalao serasera politika sasany moa dia mody jamba izy ireny satria tsy te-hahita ; mody marenina izy ireny satria tsy te-haheno. Mpisikidy mila voatsirary e matetika ireny.

Ho antsika Malagasy sy mpiray tanindrazana, fa indrindra ianareo manerana ny Nosy, isan-tokan-trano, izao ny teniko : mbola ao anaty fasahiranana ny firenen-tsika. Lazaiko anareo am-pahatsorana fa tsy mora ny fikarohana ny fomba rehetra hatafavoakan-tsika satria tsy azo teren-ko masaka toa voalobon-jaza ny fanarenana. Isika mandroso! Tsy maintsy mandroso! Misy ihany anefa te-hihemotra foana. Te-hilaza aminao aho fa mampiady saina andro aman’alina nefa tsy atao mahakivy satria andraikitra efa nanaovana fianianana teo anoloanareo vahoaka andriamanjaka izany. Tsy hilavo lefona isika na dia iray segondra monja aza! Ny fanantenananareo sy ny fahatsaram-piainana no manavao isan’andro isan’andro ny finiavanay sy ny herinay hoentina miatrika ny adidy. Henoko sady mihaino ny feo samihafa avy aminareo vahoaka aho. Mahita ny misy sy ny fisehony manodidina ahy aho. Tsy mihiboka ato anatin’ity lapa ity akory.

Manoloana ny tranga politika mahery vaika samihafa atrehin’ny fitondrana, dia be ny manontany aho hoe : sao dia mandefitra loatra ianao Andriamatoa Prezidà. Misy marina ny voalazan’ireny olona ireny ary isaorako azy. Nandritra ny roa taona izay anefa, dia milaza aminao aho ry vahoaka malagasy fa nokatsahiko ary notandrovako fatratra ny fahamarinan-toeran’ny fiainana ara-politika eto amin’ny firenena. Fantatro (in-droa) fa ny fahamarinan-toeran’ny fiainana politika no antoka voalohany handroson-tsika amin’ny fanarenana sy fiarian-karena. Ary izany ihany (in-droa) no hitondra ny fahatsaram-piainana ho an’ny Malagasy.

Ny fepetra hazoan’ny Malagasy mamelo-tena sy hivelatra eo amin’ny toerana izay misy azy no andraikitry ny fitondram-panjakana. Anisan’ny izany fepetra izany ny fampivelarana eo amin’ny sehatry ny fiarian-karena izay miteraka asa, karama, fahefa-manjifa sy mivelatra ara-kolontsaina. Tsy vita izany raha tsy eo ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ny fahaiza-mitantana. Everiko fa mia-manatona izany ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ny fahaiza-mitantana isika izao. Vita ny fifidianana kaominaly, senatorialy. Antenaiko fa tonga eo amin’ny fahamatorana politika bebe kokoa ny rehetra ka ho faingana amin’izay ny dingana fiarian-karena. Izay, sanatria, mamboly olàna ara-politika hampihemorana ny firenena dia efa fanta-tsika ny ataony fa isika mandroso hatrany.

Ambarako amina teny tsotra sy mazava ary iantsoko anao anamafisana izany miaraka amiko hoe : tapitra izay ny fitsapatsapana sy ny famatsiana ara-politika. Tonga ny fotoana izay ampivondronana ny hery ho an’ny fanafainganana sy ny fampandantsahana ny fiarian-karena ! Maika ny hivoaka ny antsan’ny fahantrana ny Malagasy sy Madagasikara. Miantso ny Malagasy rehetra aho hifanome tànana ; miantso ireo tanora aho ; miantso anareo vehivavy ; miantso ny mpamokatra ; miantso ny mpandraharaha hifanome tànana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Mora anie ny manenjika sy ny manaratsy, Tompoko ô. Indrindra ireo izay hita miariary fa tsy mikendry afa-tsy seza politika. Tsy any intsony anefa ny vahoaka malagasy fa efa nifidy sy vonona mandrakariva ny hijoro isika, ny hikatsaka izay ho tombontsoam-bahoaka.

Hajain-tsika (in-droa) ny zo aneho hevitra sy fahalalahana noho ny maha demokraty antsika. Aoka kosa (in-droa) Tompoko, tsy hisy ny fihoaram-pefy mitondra any amin’ny fampiadiana ny samy Malagasy, mitondra any amin’ny fanelezana lainga sy tsao hampisavorovorona ny saim-bahoaka ! Mitondra ny fanitsakitsahana ny zon’ny sasany. Tsy eken-tsika izany !

Ankoatra ny fanamarinan-toerana ara-politika dia manana anjara toerana lehibe ny foto-drafitr’asa. Eo amin’ny fampantanjahana ny fiarian-karena, ka anisan’izany ny làlana. Betsaka ny zava-bita tamin’iny taona iny, fa amin’ity taona 2016 ity dia vola 47 miliara ariary no atokana ho an’ny fikojakojana, ka hisy làlam-pirenena – izay ny tanjon-tsika- tsy hisy làlam-pirenena hahitan-davaka intsony, làlam-pirenena lehibe. Efa hita-tsika -ho an’izay mampiasa ny làlana mankany Mahajanga- izany ; efa Efa hita-tsika -ho an’izay mampiasa ny làlana mankany Toamasina- izany ; efa hita-tsika amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny làlana faha-9 Toliara mankany Morombe, sy ny sisa sy ny sisa.

Amin’ity taona 2016 ity, ary hitohy amin’ny taona 2017 dia vola 450 tapitrisa euros no hatokana anamboaran-dàlana. Ary maro amin’izy ireny no làlam-pirenena manerana an’i Madagasikara, manaraka ny moron-tsiraka atsimo, avaratra, andrefana, atsinanana. Hitondra fiatsaram-piainana izany! Hanamafy ny fihavanam-pirenena izany! Hiteraka asa izany! Fa tsy làlam-pirenena ihany, fa tsy maintsy mitodika any aminy làlan-tanàna. Hanamboatra ny làlana any amin’ny tanan-dehibe izany isika. Hanamboatra ny làlan’Antananarivo isika izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Eo ny fambolena sy ny fiompiana izay iveloman’ireo Malagasy maro an’isa. Mila tosika goavana. Ataon-tsika izany hafahana mampatanjaka sy manafaingana ny fiarian-karena. Foto-drafitr’asa 171 no vita tamina faritra lonaka eo aminy roa arivo sy valo alina hektara. Tanora an’arivony maro no efa nofanina ary mbola ho tohizana amin’ity taona ity izany, hanatsarana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Ho tohizana ny ady aminy valala. Anomboka hamokatra ireo orinasa mpamokatra zezika sy ny fanapariahana « tracteurs » ihany koa hataon-tsika ho an’ny tantsaha manomboka amin’ity taona 2016 ity, Tompokolahy sy Tompokovavy. Rehefa miresaka fambolena sy ny fiompiana dia tsy maintsy voaresaka ny tany sy ny fananan-tany.

Nankatoavin’ny Solombavambahoaka tamin’ny faran’ny taona teo ny lalàna tondro zotra ho an’ny fanajariana ny tany. Lalàna izay niesona nandritra ny 50 taona tany izany zavatra izany. Isika no nampifoha azy. Andry iray iankinan’ny fampandrosoana ity firenena ity ny fananan-tsika tany midadasika. Mila izany tany izany avokoa ny rehetra. Na eo amin’ny lafiny ara-sosialy na ara-toekarena. Nefa misy ny olana izay aterak’izany fananan-tany izany. Eo ny olana ateraky ny fandovana ; eo ny olana ateraky ny fahasatorana miasa eo amina tany midadasika. No izany (in-droa) : nanapak’hevitra ny fitondram-panjakana, zavatra roa lehibe :

Voalohany, manomboka ny volana Janoary ity hatramin’ny faran’ny volana Jona 2016 ity, dia tsy andoavam-bola ny fanatanterahana ny famindrana ny tany lova amin’ny mpandova. Ny voakasika izany dia ireo vola aloha amin’ny tombam-pananan’ny maty sy ireo sarany aloha amin’ny famindrana.

Faharoa, fanapahan-kevitra raisin-tsika : ireo tany midadasika marobe izay efa vita titra tamin’olo-tsotra fahiny kanefa nilaozan’ny tompony ary tsy nokarakarainy intsony ka nampiasan’olona maro nandritra ny fotoana maharitra dia haverina ho fananam-panjakana ary homena ireo olona voaporofo fa nampiasa sy nanamaintimolaly izany nandritra ny fotoana maro.

Tsy maintsy ao anatin’ny fampiarana ny lalàna velona anefa no hanatanterahana izany fa aoka tsy hisy hanararaotra izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Efa miresaka fanampahan-kevitra ihany aho dia ambarako eto koa fa eo amin’ny lafin’ny agovo dia afainganina ny fironana mian-dàlana any amin’ny angovo azo avaozina manomboka izao, ampihenana ny fanampian’ny fitondrana ara-bola ny jirama sy fanomezana angovo madio sy maharitra ary mora vidy ho an’ny rehetra. Mahakasika izay : henoko ny fitarainanareo vahoaka no ny tabataba izay aterak’ireo milina manome herin’aratra. Eto dia tsy maintsy manolotra ao anatina iray volana ny vahaolana mikasika ny foibe famokarana herin’aratra eny Antanandrano, -izay namaha olana eo amin’ny famatsiana herin’aratra nefa niteraka olana hafa eo amin’ny tontolo iainana no ny firaondraonan’ny Jirama-, ny ministera mpiahy. Andrasan-tsika izany, Tompokolahy sy Tompokovavy!

Miantso aho (in-droa) ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny hanao laharam-pahamehana tsy azo andeferana (in-droa) ny fanadiovana ny tanàna! Na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Mila alamina ny fitsinjarana andraikitra eo amin’izay voakasika rehetra. Ny ahy dia tsotra : tsy rariny raha ampiainana ao anatina fofona tsy mendrika izay miteraka fahavoazana eo amin’ny lafin’ny fahasalamana, ny mponina. Aoka ho fantatry ny rehetra fa manana tamberina andraikitra amin’ny vahoaka na ny olom-boafidy na ny mpiasam-bahoaka rehetra.

Tohizana sy hamafisina ny fiarovana ny tontolo iainana ka homena famaizana manokana ireo mpandoro tanety, Tompokolahy sy Tompokovavy !

Miantso ny tompondraikitra isan-tsokajiny aho, miantso ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka aho hanamafy ny ady amin’ny kolikoly. Andraikitry ny tsirairay io, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Tohizana sy hamafisina ny fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Efa voalaza teo izany zavatra izany. Misaotra sy mankasitraka ireo miaramila sy zandary nampandry fahalemana ary mankahery ny fianakiavana navelan’ny niaram-boina rehetra.

Mitohy ny fanentanana eo amin’ny sehatra samihafa ara-toekarena, indrindra ny sehatra afak’haba. Amin’ny fampiarana ny AGOA, Tompokolahy sy Tompokovavy, dia efa nahitam-bokatra izany, efa niteraka asa an’arivony izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Nilaza taminareo aho, tamin’ny faran-taona, fa taom-pisedrana iny taona lasa iny. Tao ny tondra-drano izay namefika ny firenena niaraka tamina hai-tany izay nampitsoan-ponenana ny olona. Iny taona lasa iny koa nefa dia sady taom-pamafazana no taom-pihotazana ihany koa. Marina fa mbola ao anatin’ny fahasahiranana isika. Misaotra an’Andriamatoa izay misolo tena ireo firenena avy any ivelany isika, nilaza fa ny tanjona dia ny miankina amin’ny herin’ny tena ihany. Izay no ho kendren-tsika amin’ny kely ananan-tsika (Ttf : fa inona ireo harem-ben’i Madagasikara notanisaina tany amin’ny COP21 e !?).

Kanefa, amin’izao aloha, mbola mindrana isika. Ary noho ny fiverenan’ny fampitokisana iraisam-pirenena kosa anefa dia voavatsy vola eo amina sehatra maro amin’ny fitantànana sy ny fampandrosoana. Ary efa ampiasaina izany vola izany. Vola any aminy 983 tapitrisa dôlara ny fitambarany. Ary misy ampahany no fanampiana mivantana sy tsy trosaina (Tff : ka tsy ny trosa ny ny zanany no be indrindra moa ?). Vita izany no ny fihaonana an-tampony maro samihafa : fanatrehana fivoriana iraisam-pirenena ; fihaonana amina mpandraharaha iraisam-pirenena. Misy sarany izany fa sarobidy lavitra mihoatra ny sarany ny vokatra etsy andaniny.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tsy azo afenina fa mbola misy ny fanatsarana samihafa izay ilaina ary takiana eo amin’ny fitantan-draharaham-pitondrana. Tsy maintsy atao izany. Tsy hoe fanomezana fahafaham-po fotsiny ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, fa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Tsy maintsy hampiainàna ny fandaniana amin’ny fampandianan-draharaha, mitohy amin’ny fahaiza-miasa tsara fahaiza-miasa aingana. Takiana amin’izany koa mpitarika mazava saina, mahataka-davitra, manampahaizana ka mahasahy mampiova ny lalàn’ny Tantara amin’ny alalànan’ny asa izay tarihiny. Vita izany rehefa omba mihavana eo amin’ny rehetra. Tsy hanaiky lembenana ary tsy handefitra aho amin’ny fanaovana mizana mitsindry ila, na ny kitrano an-trano manoloam-bahoaka. Toro-marika ny baiko mivantana no omeko ny governemanta sy ny mpikambana rehetra ao aminy : mpiasam-panjakana, ny olom-boafidy rehetra, tomponandraikitry ny foloalindahy : natao hanompo vahoaka isika fa tsy ho tompoinina : natao hilohaloha vahoaka isika fa tsy natao hanambony tena, Tompokolahy sy Tompokovavy. Noho izany (in-droa) dia aoka hifanandrify amin’izany ny asa ataonareo rehetra. Tsy handefitra amin’ireo manao ny tsy mety aho ka mandoto sy manivaiva ny hasin’ny firenena malagasy amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy. Ary mba tsy hahatompon-trano mionona anareo dia hisy fihaonana manokana isaky ny telo volana, amin’ity taona ity, izay hatokako ilazana aminareo hoe mby aiza izany zavatra rehetra izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Malagasy mpiray tanindrazana,

Fiandohan’ny taona tahaka izao, amin’ny hanamaranana ny fikorisan’ny vidim-piainana, dia ampitomboina ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Ka ampitomboina 7,5% izany amin’ity taona ity. Izay mihoatra kely no ny fikorisan’ny vidim-piainana. Izay no zaka ary fanantenan-tsika dia ny fiakaran’ny fahefa-mividy ankapobeny no hiakatra aoriana ao. Mila ezaka goavana ny fampidiram-bolam-panjakana, Tompokolahy sy Tompokovavy. Mety ilaza mantsy ianao hoe : fa maninona no 7,5%? Izao nefa no tiako lazaina aminao : amin’ireo vola miditra amin’ny hetra sy amin’ny haba, Tompoko, 60%-n’ireo dia mandeha mankany amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Aiza ny hanaovan-tsika foto-drafitr’asa? Aiza ny hanaovan-tsika fampandehanana ny raharaham-panjakana?

Eo an-dalàn’izany dia fotoanany koa izao ny iresahana ny famotsoran-keloka izay hisy fiovana kely amin’ity indray mitoraka ity, mba hanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Homena an’Andriamatoa Direktera jeneralin’ny fiadidian’ny repoblika aoriana ny antsipirihiny amin’izany. Faranako ny teniko, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Malagasy mpiray tanindrazana,

Miara-dia lalandava aminareo ny tenako. Mahita, mandre, mihaino. Hoy aho teo hoe : ny fanantenanareo ny fiatsaram-piainiana no manavao isan’andro ny herim-poko eo amin’ny adidy sy andraikitra izay iantsoroako. ny fanantenanareo no ilo mby an-dohako ka tsy andraraka izany an-tany aho

Ohabolana be dia be

(…)

Samia ho tahin’Anandriamanitra, misaotra Tompokolahy, manankasitra, Tompokovavy.

Namadika ny kabary ho soratra mitoetra : Jeannot Ramambazafy

Articles récents

Hébergé par Overblog