Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy

Alaotra Mangoro no azo ambara ho faritra tena nankasitraka an’i Jean Louis Robinson. Amparafaravola no tena nandrombahany vato be koa tamin’ny fihodinana voalohany, satria avy any ny lehilahy. Tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia nirotsaka solombavambahoaka tany izy ka naka ambongadiny ny vaton’ny mpifidy.

Nanaitra ny mpanara-maso kosa anefa ny fitsimbadihan’ny rasa tamin’ity fihodinana faharoa ity satria dia voasongon’i Hery Rajaonarimampianina izy tany amin’ iny faritra Alaotra Mangoro iny.

Ankoatra ny fahadisoam-panantenan’ny mponina tany toy ny teto Antananarivo tamin’ny fahitana ireo fihetsika amam-pitondran-tenan’i Jean Louis Robinson nibaribarian’ny tsy fahamatorana, toy ny fimamoana imasom-bahoaka, sy ny foto-kevitra nijoroana, toy ny maha-mpikambana azy ao amin’ny “Franc Maçon”, sy ny hafa, dia nanampy trotraka ny fanalan’ny mponin’Alaotra Mangoro ny fitokisana azy koa ny fihetsiky ny mpiray tampo aminy any an-toerana.

Efa notaterinay teto ny fangoronan-tanin’olona ataon’ireo iray tampo amin’i Jean Louis Robinson, ary mirehareha mihitsy izy ireo fa “iray tampo amin’ny filohan’ny Repoblika”. Sahin’izy ireo ny mandrava ny volin’olona eny an-tanim-bary, ary mampihorohoro ny vadin-tany tokony hanao fitsirihana sy fanamarinana izany tranga izany. Hatramin’ny mahavoarohirohy ny mpiray tampo aminy amin’ny resaka ady heloka no isan’ny niteraka tsy fitokisan’ny olona azy any. Mbola vao kandida ve ianao dia efa izany sahady no afitsoky ny havanao sy ny iray tampo aminao, ary ianao tsy miteny na mandrara akory ireo havanao amin’izany, mainka fa tonga eo amin’ny fahefam-panjakana tokoa ianao ka tsy vao mainka ho loza ?

Etsy ankilany, nisy akony tany Alaotra Mangoro koa ny tandindon-dRavalomanana teo amin’i Jean Louis Robinson. Dia ny alok’Ingahy Ravalomanana izay nandravarava ny fiharian’ny mponina tany, na ny fakana an-keriny ny tanimbarin’ny vahoaka na ny fanambakana ny vahoaka tamin’ny vokatra nateraky ny hatsembohany, izay nahodina tao amin’ny orin’asa “Fanamby Rice”.

Articles récents

Hébergé par Overblog