Overblog Suivre ce blog
Editer l'article Administration Créer mon blog
jeannotramambazafy.overblog.com

jeannotramambazafy.overblog.com

Promotion pour le développement culturel et social de Madagascar

Publié le par Jeannot Ramambazafy
L'électorat de Madagascar vote pour qui et pour quoi exactement ?

L'électorat de Madagascar vote pour qui et pour quoi exactement ?

Je viens de recevoir un courrier émanant de France qui est tellement simple qu’il est criant de vérité. Pour la protection de l’auteur (ma source), je ne citerais pas son nom. Mais je l’ai traduit en Malagasy. A bon entendeur : salut !

Jeannot Ramambazafy – 30 octobre 2013


Je suis Malgache vivant en France mais la situation de notre pays ne me laisse pas indifférent.
J'aime mon pays et j'y passe mes vacances très souvent.

Il me semblerait qu'un 2è tour est nécessaire pour désigner notre prochain président. Des débats d'idée devraient être organisés pour départager les candidats.

Je vous précise que je suis zanak'i dada mais je ne digère pas la désignation du Dr Jean Louis Robinson comme candidat.

- D'une part, il doit sa victoire à Ravalomanana. Sans le soutien de ce dernier, Dr Robinson n'aurait pas collecté autant des voix. La consigne de vote des dada et neny a porté ses fruits.

Certes, la candidature de Dr Jean Louis Robinson fut appuyée par Me Hanitra Razafimanantsoa parce qu'il est un franc maçon comme elle; mais c'est le couple Ravalomanana qui a tout fait pour la réussite du candidat n°33.

Ce soutien mérite, en contrepartie, un "valim-babena". C'est là que je suis très surprise de la déclaration du Dr Robinson pendant le débat télévisé organisé par TvPlus Madagascar.

Il disait, en effet, qu'il n'a aucun contrat avec l'ancien président. Seul le retour de dada lui soit opposable.

Si c'est vraiment le cas, alors il n'apporterait rien à dada vu que le retour en question ait été déjà décidé avec la communauté internationale depuis de longue date.

- D'autre part, il y a le côté français du Dr Jean Louis Robinson.

Il a la nationalité française et il avait servi le Parti Socialiste français durant une bonne partie de sa jeunesse.

Son appartenance à la franc-maçonnerie arrange aussi la France parce qu'il intégrera facilement le cercle des chefs d'Etat de la FrançAfrique composés des franc maçons notoires.

Si Dr Jean Louis Robinson est élu président, le problème sera de taille parce que dada Ravalomanana et la France ne pourront pas coopérer ensemble. Dada avait déjà accusé la France comme l'instigatrice de son renversement.

Alors, je me pose la question: Dr Jean Louis Robinson obéira-t-il dada Ravalomanana ou la France?

Ce ne sera pas du tout facile parce que dada Ravalomanana ne servira jamais les intérêts français.

Il va sans dire qu'aucune église ne tolère la franc-maçonnerie. Alors, attention, il y a un danger !!!

Ce que je vous dis là n'est pas du blabla, je vous dis la vérité. A vous d'alerter l'opinion publique comme je le fais aussi.

M. R….. Paris, 75… (France)

Dikateny malagasy

Malagasy monina aty Frantsa ny tenako, fa tsy aiko ny tsy hiteny manoloana ny zava-misy ny an-tanindrazana. Tiako loatra mantsy ary matetika aho maka rivotra any.

Araka ny vaovao reko dia hisy ny fiodinana faharoa hifidianana ny ho Filoham-pirenen-tsika. Tokony hisy adihevitra lehibe mba hafantarana bebe kokoa ny mikasika ireo kandida roa hiatrika izany fiodinana faharoa izany.

Tiako marihina eto fa anisan’ny zanak’i dada aho fa tsy levon’ny vavoniko mihitsy ny nanendrena an’ny Dr Jean Loui Robinson ho kandida.

Eo amin’ny lafiny iray, dia i Ravalomanana no nahatonga azy voalohany. Raha tsy teo io farany io, dia mino aho fa tsy nahazo vato be toa izao. Ny afatrafatr’i dada sy deny dia nahitana vokany. Fa eo koa ny fanampian’I Me Hanitra Razafimanantsoa satria “franc-maçon” toa azy i Dr Jean Louis Robinson (Ttf : ny atao hoe “franc-maçon" dia mpikambana ao anatina fikambana miafina matanjaka dia matanjaka ka misy ifandraisana amina mpitarika ny mpitondra eran-tany). Fa ny tena marina dia Ravalomanana mivady no nahatonga ny kandida mitondra ny laharana 33 nahazo io fandresena io.

Io fanohanana io anefa mitaky valim-babena. Ary teo aho no zendana raha nandre an’i Dr Robinson, tao aminy Tv Plus Madagascar nanambara fa tsy manana “contrat” amin’ny filoha teo aloha, fa ny fiverenany ihany no ho karakarainy.

Raha izany dia tsy dia misy antony hilan’i Ravalomanana azy izany, satria io fiverenan’ity farany io dia efa noeritreretin’ny Fiombonana iraisam-pirenena efa hatry ny ela.

Eo ankilany, dia aza adino fa mizaka zom-pirenena frantsay ny Dr Jean Louis Robinson ary mpikambana navitrika tao amin’ny antoko sosialista frantsay nandritra ny fahatanorany

Aminy maha-“franc-maçon” azy dia mety amin’ny Lafrantsa mihitsy izy satria dia mora aminy ny miditra eo anivon’ireo filoham-pirenena mandany ny FrançAfrique izay fantatra fa francs-maçons daholo ny ankamaroany.

Raha voafidy ho Filoham-oirenena izany i Dr Jean Louis Robinson dia hipetraka ny olana makadiry satria dada Ravalomanana sy Lafrantsa dia tsy afaka ny hiara-hiasa naoviana naoviana. I Dada moa efa nanambara fa Lafrantsa no tao ambadiky ny fanonganana azy.

Dia manontany tena hoe : iza no arahin’i Dr Jean Louis Robinson ? Dada Ravalomanana sa Lafrantsa ? Tsy ho mora ho azy ny safidy satria i Dada aloha dia tsy hiraharaha ny tombontsonan’i Lafrantsa mihitsy. Sady tsy misy fiangonana na iray aza iray tsikombakomba amina franc-maçon. Koa tandremo fa misy loza mananontanona ao !

Tsy resabe ireo rehetra ireo fa marina daholo. Koa anjaran’ny tsirairay ny mampaneno lakolosy ho an’ny daholobe (mpitondra, mpitarika, vahoaka, mpikirakira vaovao, fikambanana, sns).

M. R….. Paris, 75… (France)

Articles récents

Hébergé par Overblog